Mahabibokely – Mampihorohoro ny andian-jatovo mitam-piadiana
Tranga vaovao mampihorohoro ny mponina ao Mahabibokely-Ambalavato ao Mahajanga ny fisian’ny andian-jatovo mitam-piadiana sady misetrasetra. Tsy adiadin’ny samy tanora intsony no tanjon’ireo jiolahim-boto ireo fa tena miketrika vono olona mihitsy. Nanafika ny tanàna ry zalahy ny faran’ny herinandro lasa teo ary nitondra bois ronds, antsy sy sabatra nandratrana izay sendra azy ireo. Ankoatra izany dia mbola nanao tora-bato sesehena ihany koa ireo tanora mpisetrasetra ireo. Nandositra sy nanakaton-trano ny iray tanàna ka ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmoreg mihitsy no nidina tany an-toerana mba hamerenana ny filaminana indray. Raha ny filazan’ny tompon-tanàna dia endrika iray isehoan’ny “foroche” avy any Antsiranana ity mitady hahazo laka ao Mahajanga ity. Tena olana ho an’ny mpitandro filaminana kosa ny fisian’ny mpiaro ireny zaza maditra ireny rehefa misy ny fisamborana. Loza mitatao ho an’ny fiarahamonina anefa izy ireny ary tokony hofaizina mafy mihitsy rehefa mandika lalàna.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







