Saribao – Mampikaikaika ny vahoaka ny vidiny
Mitombo hatrany ny filana eo amin’ny saribao, fampiasan’ny tokantrano maherin’ny 85% an- tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Tsy maharaka ny tinady intsony ny tolotra tonga eny an-tsena no olana goavana amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny vidiny mihalafo, izay misy efa mahatratra 24 000 Ariary ny gony, mbola sarotra ihany koa ny ahitana izany. Raha ny toerana maro eto Antananarivo, tsy ahitana izany saribao izany amin’izao. Sahirana ny tokantrano maro. Ny antony lazaina teo aloha teo, ny fahatapahan’ny lalana avy any amin’ny toerana fanaovana azy ireny. Misy milaza fa lasa mitady volamena indray izao ireo mpanao saribao fa izay, hono, ny vola malaky. Fa ny tena mahay ity asa ity, milaza fa ny hazo havadika saribao mihitsy no tsy misy intsony. Dia ahoana izany ny miandry ny tokantrano maro, tsy mahatakatra gazy sy fatana mandeha amin’ny herinaratra ? Ankehitriny anefa dia tapaka sy simba avokoa ny 45 isan-jaton’’ireo hazo fihinam-boa any Taolagnaro vokatry ny fitrandrahana saribao. Efa ripaka ireo hazo kininina sy ireo hazo hafa fanao saribao dia ny fototra manga sy kily ary lodisia indray no tapahan’ny mpanao saribao. Noho izany dia miakatra hatrany amin’ny iray alina Ariary ny vidin’ny saribao iray gony kely any Taolagnaro amin’izao.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







