Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

67ha Atsimo – Mirongatra indray ireo mpanao sinto-mahery

Tsy mifidy toerana ary tsy misafidy olona tafihana intsony amin’izao fotoana izao ireo tontakely. Na lehilahy na vehivavy mantsy dia lasibatra avokoa ary na amin’ny alina na amin’ny antoandro be nanahary dia manatontosa hatrany ny asa ratsiny ry zalahy. Ankehitriny ihany koa dia tsy mifidy taona intsony ireo mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery fa na dia mbola kely aza izy ireo dia efa sangany amin’izany asa ratsy izany. Vao haingana no namoaka izahay teto amin’ny gazety Madagascar matin fa zazalahy vao 12 taona monja no tra-tehaka nanendaka teny Ankorahotra teny. Omaly dia nampafantatra ny sefo fokontany eny 67ha Atsimo fa miverina mirongatra indray ny asa ratsin’ireo tonta kely eny amin’iny faritra iny. Somary nangingina izany tao ho ao ary lasa niverina ho faritra mena indray iny faritra iny amin’izao. « Tsy milamina indray ny eto amin’ny 67ha Atsimo amin’izao fotoana izao, eny fa na  eo aza ireo mpitandro filaminana mihaodihaody eny an-toerana amin’ ny alina. Na alina na antoandro dia manatanteraka izany ireo mpanao ratsy ireo. Ankehitriny ihany koa dia mirongatra ihany koa ny fangalarana batery-na fiara izay mitoby eny an-tsisin-dàlana. Tsy vitan’izany fa ny sinto-mahery koa efa mahazo vahana ety an-toerana », hoy ny sefo fokotany ao 67ha. Raha ny vaovao azo manko dia mpanendaka 3 lahy no efa voatifitr’ireo mpitandro filaminana tao anatin’ny roa volana izay.

Fa eny Anjanahary ihany koa dia itrangan’io zavatra io. Raha ny « pare-brise » sy ny « batterie » no lasibatr’ireo tontakely eny 67ha,  amin’ izao fotoana izao, ireo « jante » vita amin’ny « aluminium » indray no alain’ireo olon-dratsy amin’ireo fiara sendra mijanona eny amin’ ny sisin-dalana, eny fa na hatramin’ireo anaty garazy sy faritra mihidy aza. Amin’ny alina ireto olon-dratsy ireto no manatanteraka ny asa ratsiny ary manao andiany maromaro angamba ry zalahy araka ny filazan’ireo efa mponina eny an-toerana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre