Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Tanandava – Betroka – Dahalo dimy nampihorohoro ny tanàna

Lasa raharaham-pirenena ny tsy fandriam-pahalemana ankehitriny indrindra fa ny halatra omby sy ny vono olona, saika manerana ny nosy. Tena loza nihatra anefa ny tany amin’ny fokontany Tanandava, distrika Betroka satria dahalo dimy izay nitondra fitaovam-piadiana tsirairay avy no tonga nanafika ny tanàna, omaly tokony ho tamin’ny telo ora maraina.

Araka izany, nitsoaka kiririoka mba hanakorontanana sy hampitahorana ireo mponina izy ireo nandritra ny ora maromaro. Toerana akaiky ny fitobian’ny zandary moa ny any Tanandava, ka vantany vao nahare ilay sioka izy ireo avy hatrany dia niditra an-tsehatra ka nanenjika ireo dahalo ary nampilamina ny fiarahamonina.

Nisy ny fifandonana sy ny fifampitifirana nifanaovan’izy ireo ka vokatr’izany dia dahalo iray no maty, ny roa amin’izy ireo no voasambotra ary ny roa ambiny kosa tafatsoaka lavitra. Marihina etoana fa tsy nisy na omby iray aza lasan’izy ireo tao amin’io fokontany io.

Ny Kolonely Ranaivoarison Théodule izay lehiben’ny  tafika eo Anosy moa dia nilaza fa misy ary hipaka manerana ny nosy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiray dina sy ny mpitandro filaminana, ahafahan’ireo mponina miaro tena rehefa tratra ny fanafihana toa ireny.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre