Vera plastika efa niasa – Misy manadio ka amidy eny amin’ny karana indray
Tsy kely lalana ny ratsy. Tsy lany hevitra koa ny malagasy hitadiavana vola. Vera plastika fanary no misy mitsindroka eny amin’ny fitoeram-pako sy eny rehetra eny ary misy manadio ka averina fonosina atao anaty « sachet » indray ary amidy eny an-tsena ho toy ny entana vaovao. Marihina fa fampiasan’ny fianakaviana amin’ny fety sy lanonana maro samihafa ireny fitaovana ireny. Ny tena ampiasan’ny maro azy koa dia fanaovana « yaourt fait maison » izay hitantsika eny amin’ny fivarotana enta-madinika rehetra eny sy hatreny anelankela-trano eny.
Tsy sanatria fialonana akory fa fampitandremana ny mpiara-belona no antony nahatonga ity olona iray izay monina eny amin’ny faritra Antohomadinika nanome loharanom-baovao mba tsy hihinana maloto. Sodoka amin’ny mora isika Malagasy rehefa mandeha eny an-tsena kanefa dia maro ny fitaka sy famahanana maloto. Raha ny loharanom-baovao azo dia efa misy olona mpandray ireny vera plastika efa nampiasaina ireny.
Olona mpitsindroka izay mitety an’ireny daba fanariam-pako eto an-drenivohitra ireny no fakan’ireto olona ireto ny entana. Ao an-tranon’izy ireto ihany no diovina ny fitaovana. Isaina ho zato ny atao anaty fatorana iray. « Gaga aho rehefa Sendra nandalo teo akaikin’ny tranon’ireo olona ireo maheno zavatra mikaraodraoka. Mba liana te hahafantatra ka nitsikilo aho kay « verres à jeter » no diovin’izy ireo anaty koveta fanasana lamba », hoy hatrany ny fitantarany. « Rehefa mba mody nanontany aho dia tsy nihambahamba ity ramatoa nilaza fa averina amidy eny amin’ny Karana ireto vera plastika ireto », raha ny nambarany hatrany.
Marihina fa ny famantarana ireo vera plastika ireo rehefa eny an-tsena dia tsy misy soratra na dia kely aza eo amin’ny fonosana misy azy. Izany hoe tsy misy marika ahafantarana ny orinasa mpanamboatra azy. Ka dia entanina hatrany noho izany ny tsirairay hitandrina sy hijery tsara rehefa mividy.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







