Vous êtes ici :

Vendredi 05 Décembre 2025

ombre

Hifaninana amin’ny tsara

« Ndao hampitahaina eo ambony latabatra ny zava-bita » hoy ny filoham-pirenena ankehitriny nihantsy ireo efa nialoha lalana azy. Nahitsy fiteny Hery Rajaonarimampianina raha nilaza fa tsy nisy nahavita ny vitany ireo efa nitondra teo aloha. Nifanipaka be ny hevitry ny olona nanoloana io tenin’ny filoha io ka ireo mpanohana ny fitondram-panjakana dia nidera azy avy hatrany ary nilaza fa «izany ka tena olona vonona ny hampandroso». Ireo tsy mankasitraka ny fitondrana kosa dia nahatsiaro tena ho voatsindrona nefa tsy manaiky lembenana. Maro ireo nilaza fa tsy antonona ny zava-bitan’ny Filoha nifandimby toa an-dRatsiraka, Ravalomanana, ary Rajoelina ny latabatra. Te hilaza izy ireo fa ny vokatra kely no alahatra eny ambony latabatra fa ny asa goavana dia ny maso mahita no porofony. Anisan’ireny, ohatra, ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena ny lalana maro manerana ny Nosy raha tsy hiresaka afa-tsy ny By-pass sy ny lalam-baovao Boulevard de l’Europe, ny kianja Maki sy ireo hopitaly manara-penitra manerana ny faritany 6. Santionany kely ireo fa raha jerena amin’ny saina tsy miangatra dia tsy mbola mihoatra ny vitan’ny teo aloha ny vitan’ny mpitondra ankehitriny. Mbola lavitry ny afo ny kitay, araka ny fitenenana, ary raha indostria iray voatsangana  tao Toamasina no ireharehana dia tsy ampy hampandrosoana ny firenena izany. Fara-faharatsiny manangana indostria iray isaka ny kaominina, izany hoe miisa 1500 any ho any vao afaka ny hiteny ny mpitondra Fanjakana fa nahita vahaolana hiadiana amin’ny tsy fananan’asa ary nahita hevitra ho fanoitran’ny fampandrosoana.

Mandainga izay milaza fa tsy nahavita na inona na inona izao fitondram-panjakana mijoro izao. Tena niasa ny mpitondra ary marobe tsy tambo isaina ny vokatra azo sy fotodrafitrasa voatsangana tamin’izany. Tsy milaza ny marina ihany koa anefa ny mpitondra raha sahy miteny fa hita soritra ny asa fampandrosoana eto Madagsasikara. Nisy ny vita ary heverina ho betsaka saingy tsy mbola ampy ary tsy misy fiantraikany eny amin’ny fiainan’ny vahoaka akory. Na dia eo ary mantsy ny lisitra lavabe maneho ny vokatra azon’ny fitondram-panjakana dia lava lavitra noho izany ny fahasahiranana sy ny fahoriam-bahoaka. Miakatra avokoa ny vidin-javatra rehetra nefa ny karama tsy misy fitomboany. Maro ny olona very asa satria maro  kokoa  ny orinasa sy toerana fitadiavam-bola nitsahatra noho ireo vao nisokatra. Manampy trotraka ireo ny firongatry ny aretina sy ny tsy fandriam-pahalemana. Izany rehetra izany no iainan’ny vahoaka ka mahatonga ny malagasy ho mora andairan’ny antso ho an’ny fitokonana sy ny fitakiana. Mila vahaolana maharitra sy haingana ireo rehetra ireo mba hahafahana miteny marina fa tena mandroso ny firenena. Tsy vitan’ny finiavana sy ny fahasahiana mantsy ny asa fampandrosoana fa mila asa maika sy mivaingana ary betsaka. Tsy tatitra no ilain’ny  vahoaka fa ny fanatsarana ny fiainany. Na hisy indostria antapitrisany hitsangana aza eto rehefa tsy mahavita mitsabo tena, sy mividy sakafo ary miaina toy ny vahoaka any amin’ny firenena hafa ny malagasy dia azo sokajiana ho tsy nisy fampandrosoana natao izany teto.

Misy mitombina ihany anefa ny foto-kevitry ny fitondram-panjakana izay mihantsy ireo mpifaninana aminy hifampitaha amin’ny resaka asa. Misy sokajin’olona mantsy eto amin’ny firenena tena havanana amin’ny fanakihanana sy ny fandranitana nefa tsy hita mihitsy izay soa ataon’izy ireo ho an’ny vahoaka. Sady tsy mamorona asa, no tsy mandray andraikitra amin’ny olana hafa toy ny tsy fandriam-pahalemana nefa dia tena bevava amin’ny resaka ambony latabatra tsy hihinanan-kanina akory. Mety handroso vetivety ihany ity firenena ity raha vitan’ireo olona tsy eo amin’ny fitondrana no mampiseho fa mahavita asa fampandrosoana mihoatra lavitra ny fampandrosoana izy ireo.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre