Ambohidratrimo – Mpamily mamo nanompa mpitandro filaminana
Tranga efa mateti-pitranga loatra raha ny eto an-drenivohitra manokana no asiana resaka ny mpamily mamo misetrasetra amin’ny fiara. Tsy vao ela manko no nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’iny faritra Alaotra iny ary vokatry ny fisotroana zava-pisotro mahamamo ihany koa no nahatonga izany. Ny talata lasa teo dia tranga sady mahasosotro no mampalahelo no nitranga teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, teny Anosiala Ambohidratrimo. Nirimorimo sy nivilivily eraka ny lalana ny fiara Toyota iray ary efa saika nandona olona sy entana mpivarotra hatrany. Zandary sendra niantsena no voatery nanakana ity fiara izay tsy tafajanona raha tsy metatra maromaro miala ny tsena. Niroso tamin’ny fisavana ny taratasin’ilay fiara avy hatrany ireto zandary ary namoaka ilay mpamily tao anaty fiara. Rehefa natao ny fizahana dia hita fa mamo ilay mpamily. Teo am-panaovana « test alcoolémie » anefa dia izy indray no nanompanompa be ireo zandary. Toa tonga amin’ilay fitenenana hoe izy mamo indray no miantso polisy. Tezitra tamin’izany fihetsika tsy mendrika izany ireto mpitandro filaminana ka notazomin’izy ireo ao amin’ny Borigady Ambohidratrimo ilay mpamily mba hatao famotorana mikasika ny fahamamoana mitondra fiara sy ny fanompana mpitandro filaminana eo am-panatanterahana ny asany.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







