Vous êtes ici :

Vendredi 05 Décembre 2025

ombre

Ambohimangakely – Toaka gasy 60 « bidons » saron’ny mpitandro filaminana

Miha mahazo vahana indray ny trafikana toaka gasy eto an-drenivohitra. Raha ny vaovao azo manko dia efa misy mpaninjara manokana izy ireny eto ary efa misy vidiny mazava tsara. Miafina hatrany moa ireto mpivarotra ireto ary tsy maintsy amin’ny lalam-barotra maizina ihany koa no hivarotan’izy ireo izany. Ny Talata lasa teo dia nahatratrarana « bidon » 60 isa (1200 litatra) feno toaka gasy tao anatina fiara mazda iray an’ny Kaoperativa Kofifiro avy any Toamasina teny Ambohimangakely, tokony ho tamin’ny folo ora maraina teo. Zandary tao amin’ny Borigadin’Ambohimangakely no nahare antso avy tany amin’ny namany avy any amin’ny toby hafa fa misy fiara mitatitra toaka voarara eny an-toerana. Taorian’ny sakana napetrak’ireo mpitandro filaminana no nahatratrarana ilay fiara izay tena nitatitra toaka tokoa nefa tsy nahazo alalana. Raha ny loharanom-baovao voaray dia efa nafenina tao anaty labasy misarona tsara mba tsy hahenoana ny fofony ireo zava-mahadomelina  sarona ireo. Raha ny vaovao voaray hatrany dia mpivarotra monina ao amin’ny fokontany Masinandriana, ao aminn’ny kaominina Mahitsy, no tompon’ireo entana ireo izay tratra tao anaty fiara. Notazomina ilay tompon’ny toaka sy ilay mpamily ka rehefa vita ny famotorana dia natolotra ny fampanoavana ny talata lasa teo ihany izy ireo. Nahazo fahafahana vonjy maika  ilay mpamily fa ilay tompon’ny entana kosa naiditra am-ponja vonjy maika. Nodorana teo imason’ny olom-panjakana tao an-toerana ireto toaka ireto. Araka ny lalàna misy eto amintsika dia Ar 10 000 isaka ny litatra ny lamandy aloan’ny olona tratra amin’ny fanondranana antsokosoko ny toaka voarara.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre