Ampangabe – Zandary 1 matin’ny dahalo, 1 naratra mafy
Lavo teo am-pamitana ny adidiny ny zandary iray tany Ampangabe taorian’ny fifanandrinana tamin’ny dahalo mitam-piadiana. Maty voatifitra nandritra io fifandonana io ilay mpitandro filaminana nanao vy very ny ainy hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Zandary iray hafa ihany koa no naratra mafy noho ny tifitra nataon’ireo mpangalatr’omby. Tamin’ity herinandro ity no nitrangan’io tranga mampalahelo io tany Ampangabe Alatsinainy-Bakaro, izany hoe ato anatin’ny faritanin’Antananrivo sy ny faritra Analamanga. Nisy dahalo iray kosa azo sambo-belona ary mbola manohy ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao mba hamongorana hatramin’ny fakany io andian-jiolahy mahery vaika io. Manaporofo ity tranga iray ity fa tena tsy mitsitsy ary sahy mihantsy sy mifanandrina amin’ny mpitandro filaminana ny olon-dratsy amin’izao fotoana izao. Vitan’izy ireo ny mamono zandary izay manao ny asany ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tato ho ato tokoa dia lasa fahazarana ho an’ny dahalo ny manao izay hamonoana ireny zandary miasa any ambanivohitra lavitra ireny. Mila paikady tsaratsara kokoa ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny zava-doza toy izao satria sady efa tsy ampy isa sy fitaovana mbola tadiavin’ny fahavalom-pirenena haripaka tsikelikely indray.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







