Talatan’ny Volonondry – Saron’ny zandary ny tambajotra mpangalatra omby
Olona am-polony indray no nosamborin’ny zandary fa voarohirohy ho tambajotra mpangalatra omby, ny 27 sy 28 Septambra lasa teo, tany Talata-Volonondry. Maromaro izy ireo no mivondrona amin’izany ary mitsinjara ho ekipa roa miavaka tsara. Ao ny mpangalatra ny omby, ny sasany kosa mitady mpivaro-kena handray ny halatra. Araka ny nambaran’ny Kolonely Zafisambatra Ravoavy, izay kaomandin’ny zandarimariam-pirenena dia ny dian-tsoritr’ireo biby ireo teny an-dalana no narahana ka nahatratrarana ireo voarihirohy ho nanao ny halatra. Tratra tamin’izany ny omby miisa dimy izay nafenina tao amin’ny tranon’ny iray amin’izy ireo. Marihina fa tamin’ny herinandro no nahavery ireo omby ireo. Efa eo am-pielantanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary mitohy hatrany ny fanadihadiana.
Anna R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







