Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Tsiroanomandidy – Notafihin’ny mpiray dina ny zandary

Nivadika tamin’ny mpitandro filaminana ny mpiray dia tany Alerana avaratra Tsiroanomandidy. Izy ireo indray mantsy no nijoro ho fahavalo sy nanafika ary nandravarava sy nangalatra ny fananan’ny zandary. Halatra bisikileta no niandohan’ny disadisa satria niditra an-tsehatra niaro ilay noahiahiana ny lehiben’ny dina. Sahy nampiasa tamin’ireo zandary telolahy nanao ny fanadihadiana ifotony mihitsy izy tamin’izany. Ho fanarahana ny lalàna dia naka taratasy tany amin’ny fitsarana ireo zandary mba hahafahana misambotra ila filohan’ny dina nanao herisetra tamin’izy ireo. Namoaka didy fampisamborana tokoa ny fitsarana ary roso tamin’izany ny mpitandro filaminana. Tsy nahafaly ny mpiray dina anefa io fepetra io ka nivondrona izy ireo ary nanafika ny tobin’ny zandary tany an-toerana. Zandary iray naratra voatora-bato ary votsotra tao anaty fifanjevoana ilay lehiben’ny dina. Naparitak’izy ireo sy nodorany avokoa ny taratasy rehetra hitany tao amin’ny birao. Tsy vitan’izany fa mbola lasa nanafika ny trano fonenan’ny zandary sy ny vady aman-janany ihany koa. Hisorohana ny fifandonana dia nandositra niafina tany an-tranon’ny ben’ny tanàna ireo zandary sy ny ankohonany. Novakian’ireo mpanafika anefa ny trano ary nopotehan’izy ireo ihany koa ny entana rehetra. Tsy vitan’izany fa nangalarin’izy ireo ny basy kalaky 1 sy bala 30. Nandefa zandary miisa 10 tarihin’ny manam-boninahitra iray avy any an-toerana ny borigady avy ao Bongolava mba haka ireo namany hiarovana ny ain’izy ireo. Efa any Tsiroanomandidy ireo zandary 3 lahy sy ny fianakaviana.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre