Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

NY RATRAM-PO

Mety mitranga amin’ny olona rehetra manana fihetseham-po ny ratram-po.  Ny fihetseham-po mavesatra mianjady amin’ny tena no mahatonga azy io ka mampisy ny fanaintainana.

Ohatra : fahadisoam-panantenana, henatra, alahelo, fiferotan’aina, sns… Ny fahatsapana ao amin’ny olona iray no mamaritra ny halalin’ny ratram-po mahazo azy. Raha mora tohina hianao dia mora maratra, raha voadona mafy hianao dia ho lalina ny ratra. Tsy afaka manome tsiny ny olona ny amin’ny ratra mahazo azy isika satria samy manana ny fahatsapany ny fiainana. Ny mifampihaino no azo atao.

 

Ny fihetseham-po mety mamitaka

Ny fihetseham-pontsika olombelona dia mety mamitaka na koa tsy voatery ho marina. Mety ho diso ny fomba fisainana izay niteraka ny fihetseham-po. Tsy mitombina, ohatra, ny hatezerana satria vokatry ny fitiavan-tena na tsy ampy fahalalana ny marina. Misy kosa ny ratram-po izay vokatry ny zavatra mianjady amin’ny tena anefa ka manohintohina ny maha olona  toy ny fandrobana, ny famoizana, ny tsy fahamarinana, sns…

Anjarantsika ny mandinika fa sao isika ihany no nahatonga antsika ho maratra mba tsy hamitaka ny tena sy hanameloka ny hafa hatrany. Andriamanitra irery no tsy mba mety diso amin’ny fihetseham-pony. Raha tezitra Izy dia marina tokoa ny hatezerany, raha faly Izy dia marina amin’izay hifaliany izay ihany koa.

Na toy inona anefa vesatra ao anatintsika, na avy amintsika na vokatry ny nataon’ny hafa dia miombona fahoriana ary manaiky hanasitrana antsika mandrakariva Andriamanitra. Tokony hanana fanantenana hatrany eo anatrehan’ny ratram-po mahazo antsika.

Ny fifehezana hatezerana

Rehefa maratra ny olona iray dia maneho izany amin’ny hatezerana  hatrany izy. Ny hatezerana dia mety hiseho amin’ny fomba mahery setra na tony. Marihina anefa fa ny tsy fahaizana mifehy ny hatezerana dia mety hampitombo indray ny ratra ao anatinao na koa hampananosarotra ny fanasitranana anao.

Ny hatezerana mahery setra dia miseho amin’ny fiteny mahery vaika : mivazavaza, manompa, miteny maloto, miteny manetry, manala baraka, maneso, manambany, manao izay hahamenatra, miantsy ady. Ny olona vavana dia tena mahavita izany ary izay tratrany dia mandraingiraingy tokoa. Miseho amin’ny  fihetsika misy herisetra koa izy toy ny vono na fandratrana amin’ny alalan’ny fitaovana na ny tena ihany, famotehan-javatra.

Ny vokatry ny fanehoana hatezerana amin’ny fomba mahery setra dia fanenenana lalina ho an’izay manao azy, fatiantoka vokatry ny fahapotehan-javatra, na fahapotehana ny fifandraisana, horohoro sy tahotra, henatra. Matetika dia sarotra sady ela ny fanarenana ny simba, indrindra fa ny fanarenana fifampitokisana.

Tompon’andraikitry ny fiainanany ny tsirairay

Tsy ny olona na ny ataon’ny olona no tokony hamaritra ny fiainanao manokana fa izay zavatra ataonao ihany. Tsy mitombina ny hoe noho ny nataon-dranona ahy no mahatonga ahy mitondra tena toy izao. Fanilihana andraikitra izany. Ny safidy nataonao no maha toy izao anao. Raha mahatsiaro manana ratram-po ny olona iray dia afaka misafidy ny hijanona ho voa mafy foana izy ka hanamelo-tena sy hivary lavo ary hanameloka ny hafa mandrakariva. Azony atao koa anefa ny manapa-kevitra hihoatra izany fahavoazana izany ka hamela heloka sy hanana fijery vaovao ny fiainany.

Marihina hatrany fa raha ny zavatra nataonao no niteraka ratram-po ho anao dia mila manaiky ny fahadisoana ary vonona ny hiala amin’izany.

Misy olona manao bodongerona sy midongy fotsiny tsotra izao amin’ny fanaovana izay tiany hatao mandika lalàna, manararaotra, manampatra  herisetra, mamafy lainga satria maratra hono izy ireo. Toetra manamarika ny olona maratra ny hafetsena ka izany no mahakinga azy amin’ny famitahana.

Tsy manana zo hanao ratsy na hitondra tena tsy mendrika toy izany ny olona manana ratram-po. Endrika fiarovan-tena izany, ary hakanosana hiatrika ny tena fiainana. Fanoherana an’Andriamanitra sy fahambanian-toetra.

Ny anton’ny ratram-po

Fahabangam-pitiavana no fototry ny ratram-po. Izany hoe mahatsiaro nailika na nafoy ilay olona. Ny ratram-po lalina dia niainga hatrany amin’ny tsy fahampiam-pitiavana tany amin’ny fahazazana. Eo ihany koa ireo ratram-po mahazo mandritra ny lalam-piainana amin’ny fahalehibiazana. Arakaraka ny halalin’ny ratra mahazo sy ny faharetany no mampanaintaina mafy ny olona. Marihina koa anefa fa ny refin’ny fahatsapana fiainana dia mamaritra ireo olona mora tohina sy tsy mahazaka fanaintainana, miteraka fijaliana kokoa izany.

Toa mahamenatra ny maneho ratram-po satria heverina ho aretim-pitiavana eo amin’ny vehivavy ihany izany. Dia miseho ho mafy be ka tsy mba mitaraina ny olona sasany, indrindra fa ny lehilahy. Misy fitenenana koa manao hoe ny lehilahy tsy mba resy na tsy mba mitomany kanefa ny lehilahy aza no tena tsy mahazaka fanaintainana. Vokatr’izany saro-tava izany no mahatonga ny olona hahita fahasarotana miatrika ny fifandraisana sy ny tena fiainana.

Ny tokantrano tsy ahahaka, hoy ny fiarahamonina, dia tsy misy miteniteny ny zavatra manjo ao an-trano na dia efa hahafaty aza. Tsy hita ihany koa izay olona itokisana ahafahana mamboraka ny mafy indraindray. Izany rehetra izany dia mampitombo ny vesatry ny ratram-po.

Andriamanitra no manasitrana

Ny ratram-po mahazo ny olona dia mety hitarika aretina eo amin’ny vatany raha toa ka tsy madray andraikitra hitsabo ny tenany amin’izany izy. Tsy dia maharototra ny olona firy ny hitsabo ny ratram-pony fa heverina ho toy ny tandra vadin-koditra izy io ka manaraka eny foana. Anisan’ny mitondra fahavoazana betsaka ho an’ny fiain’ny tsirairay sy ny fiainan’ny fiarahamonina anefa izany. Tena misy fiantraikany tokoa amin’ny fampandrosoana noho izy mamolavola ny toetra.

Tsy ny fotoana no manasitrana fa elanelana no entin’ny fotoana. Andriamanitra izay namorona ny fo sy ny voa no tompon’ny fanasitranana ary ao aminy irery ihany no misy ny fanafahana sy ny fahatoniana.

“Anaka atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako.”( Ohabolana 23:26). Tsy maintsy manantona an’Andriamanitra amim-panetren-tena ny olona manana ratram-po raha te ho sitrana. Atolotra Azy ny fo maratra sy maloto hositraniny sy hodioviny. Tsy mahazo manondro ny hafa intsony rehefa manantona Azy fa manaiky hijery ny lalany dia mizotra amin’izany lalana marina izany. Mila iasana mafy ny avonavona sy ny fanamarinan-tena, ary ny fitserana ny tena izay sakana ho an’ny fanasitranana.

Ny finoana marina an’i Jesoa sy ny fiainana ny fahafenoana atolony ary ny fahatsapana ny fitiavany no ahafahan’ny olona iray manana fahatoniana eo amin’ny fiainana. Izay ilay fiadanana.

Mila fanampiana ny ratra lalina

Rehefa tsy vitanao irery intsony ny manantona mivantana an’Andriamanitra noho ny hasasarana sy ny fanaintainana be loatra dia afaka manantona olona ary tokony hanantona olona afaka manampy ny manana ratram-po. Tsy fahotana izany ary ny Soratra Masina dia mandrisika antsika hifampitondra ny mavesatra. Ny olana ara-panahy be loatra dia manambany ny fanampiana ilaina amin’ny maha olona. Vavaka sy fandroahana devoly ihany dia ampy hoy ny sasany na dia efa miparitaka izao aza ny fiainany ka tsy vitany intsony. Manala baraka an’Andriamanitra ny fitondran-tenany sy ny asany na dia milaza ho olomasina aza izy.

Tena mila olona mihaino sy manampy ny manana ratra lalina. Ireo manana fiankinan-doha na ireo efa lazoin’ny aretina  dia tokony hanao izany. Tsara raha olona manana traikefa amin’izany asa izany no hatonina mba tsy hampitombo ny olana. Indraindray aza dia tsy maintsy ampiana amin’ny fanafody ara-medikaly ho fanohanana, ireo  izay  manana ratra lalina noho ny hatrotrahana be loatra amin’ny vatany.

Ilaina ny fandroahana devoly satria mety ho toeram-pamaharany ny ratram-po noho ny fangidiana, ny lolom-po, ny avonavona, ny tsy finoana, ny alahelo sns…

Marihina anefa fa tompon’andraikitra hiasa izany fanasitranana izany hianao fa tsy ilay olona no antenainao hanao ny andraikitrao. Mila fotoana izay avy amin’Andriamanitra ny fanasitranana. Aza mitsahatra miankina Aminy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre