Analamahitsy – Jiolahy tra-tehaka teo am-pamakiana trano
Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra. Mpamaky trano efa ela nihetezana raha izay no azo ilazana azy ity rangahy tra-tehaka teo ampanaovana ny asa ratsiny ity. Efa nikoizan’ny teo an-tanàna mihitsy izy satria efa aman-taonany maro no efa malaza tamin’ny famakiana trano sy ny hala-botry ity rangahy ity. Ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny roa ora maraina no tsy naha lehilahy azy satria teo am-panatanterahana ny asa malotony mihitsy izy no nifanehatra tamin’ny polisy sy ny andrimasom-pokonolona teny Analamahitsy teny. Araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro filaminana dia tratra teny aminy ny sakaosy nisy fitaovana maromaro famakiana trano sy akoho lahy mpiady iray. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy ity jiolahy ity ary natao famotorana. Teo no nahafantarana fa roalahy izy ireo no naira-namaky trano sy fiara fa ilay namany tafatsoaka niaraka tamin’ny bateria miisa telo sy ny « auto – radio » iray. Ity voasambotra izay mbola fantatra ihany koa fa efa tratra tao amin’ ny Polisin’ ny Boriborintany fahavalo noho ny resaka famakiana ny tranon’ny ministeran’ny Fambolena eny Nanisana. Malaza ihany koa ity farany amin’ny fanaovana halabotry sy famakiana trano eny amin’ny faritra Analamahitsy, Amboditsiry sy Nanisana ary Manjakaray eny. Naiditra am-ponja araka izany ity jiolahy tra-tehaka ity.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







