Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Ambohijatovo – Nambanan’ny mpanendaka antsy ilay resevera

Faritra mena, indrindra fa amin’ny alina ny eny amin’iny manodidina an’Ambohijatovo iny. Tsy misangy mihitsy mantsy ireo mpanendaka eny amin’iny toerana iny, na eo aza ireo mpitandro filaminana fa dia manatanteraka hatrany ny asa ratsiny izy ireo. Ny talata lasa teo dia fiara iray miasa eny amin’iny lalana iny indray no tra-doza rehefa nijanona teo amin’ny seranana iray teo Ambohijatovo teo. Efa somary alina moa ny andro ary efa vitsivitsy ireo mpandeha tao anaty fiara. Araka ny vaovao azo tamin’ilay mpandray saran-dalana dia toy ireny mpandeha tsotra ireny ihany ilay mpanendaka ary miakanjo tsara, tsy misy ahafantarana azy mihitsy. Tsy misy tandroka marina ny ratsy ka dia tafiditra soa aman-tsara tao anaty fiara ilay rangahy ary nakany amin’ny farany aoriana indrindra. Rehefa nitaky ny saran-dalana anefa ilay resevera, tao anatin’iny tonelin’Ambohidahy iny dia namoaka antsy izy ary nandrahona avy hatrany hoe « Omeo ahy daholo ny vola voangona rehetra ». Teo vao tsy hitan’ilay mpamily sy ilay resevera intsony izay natao, ilay mpanendaka miha manantona tsikelikely azy ireo ihany.  Mpandeha teo amin’ny telo monja teo moa sisa no tao anaty fiara ka tsy hita izay natao. Efa saika hanome ilay vola ilay resevera no sendra polisy iray nanakana ilay Taxi-be. Marihina fa polisy hamonjy fodiana ity mpitandro filaminana ity. Efa faly ireo mpandeha fa tra-tehaka ity mpanao ratsy saingy dia nisaoty teny am-pandehanana ity farany ary nitsoaka niakatra nihazo ny totohatra makany amin’ny Colbert iny. Nifanenjehan’ilay resevera sy ilay polisy ihany izy saingy tsy tratra, na efa nandringa noho ny fitsambikinana aza. Ny azo lazaina dia mba mailo ihany rehefa mandefa amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny, indrindra fa rehefa amin’ny alina.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre