Vous êtes ici :

Dimanche 07 Décembre 2025

ombre

Haute Matsiatra – Norobain’ny jiolahy ny volamena 10 grama

Ny talata 27 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy fahefany hariva no nitrangana fanafihana goavana tany Ampisikinana, faritra Haute Matsiatra, fokontany Ambodivohitra, Kaominina ambanivohitr’Ikalamavony. Tokantrano iray no nataon’ireo jiolahy am-polony lasibatra rehefa avy nopitsohin’izy ireo ny varavarana. Vantany vao tafiditra ny trano izy ireo dia nanambana tamin’ny basy avy hatrany ny iray ka nandidy ny tompon-trano hamoaka ny zava-tsarobidy rehetra. Rehefa tsy nety nanome izany ity raim-pianakaviana dia notifiriny. Ny vady aman-janany kosa tratran’ny tsy akihetsika ka tsy afa-niantso vonjeo akory. Araka ny vaovao voaray dia vola mitentina 4 400 000 Ariary, finday efatra, lecteur Dvd iray ary volamena 10 grama no lasan’ireo olon-dratsy. Nakorontany ka natsipitsipin’izy ireo avokoa ny entana tao an-trano alohan’ny hialany tao. Nizotra nianatsimo ny dian’izy ireo. Rehefa lasa ireo jiolahy izay vao nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay raim-pianakaviana, noho ny ratra nahazo azy. Taorian’izay ihany koa izy ireo vao nampandre ny mpitandro filaminana ao amin’ny borigadin’ Ikalamavony, izay nanao ny fanarahan-dia saingy tsy tratra intsony ireo dahalo. Mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre