Vous êtes ici :

Dimanche 07 Décembre 2025

ombre

Mahajanga – Tratra ireo mpangala-danja

Mizana miisa 30 no voamarina fa tsy manara-dalàna tao amin’ny tsenan’i Mahabibo ao Mahajanga. Nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso ny sampan-draharaham-paritry ny varotra noho ny fitarainan’ny mponina. Tratra tamin’izany ireo mpivarotra mangala-danja amin’ny fampiasana fitaovana tsy manara-penitra na ihany koa raha tsorina dia efa namboarina hitanila. Ny 29 septambra lasa teo no nanatanterahana izany niaraka tamin’ny tambazotran’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Efa fanao matetika ny fanaraha-maso toy izao nefa dia mbola am-polony ihany ireo tratra. Marihina fa azo sokajiana ho anisan’ny halatra sy fisolokiana ny fampiasana mizana mitanila mba hahakely fatra ny entana amidy amin’ny mpanjifa. Ny ao Mahajanga aloha izao sarona izao fa inoana fa mbola ratsy kokoa noho izany ny eto Antananarivo. Ankoatra ny mpivarotra amin’ny enta-madinika mantsy dia maro loatra ireo mpivarotra tsy ara-dalàna sy mandehandeha etsy sy eroa mampiasa karazana mizana izay tsy fantatra marina ny fomba fampiasana azy. Ireo mpivarotra legioma sy voankazo no tena tsy atokisan’ny mpanjifa satria izay voarain’ny tanan’izy ireo dia toa lazainy ho marin-danja avokoa. Andrasana noho izany ny fidinan’ny mpanara-maso avy ao amin’ny minisiteran’ny varotra hijery ny mizàna eny an-tsena satria sady efa lafo ny vidin’entana no mbola mangala-danja ihany koa ireo mpivarotra.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre