Tsaralalàna – Nahitana ody gasy ilay “mpisam”
Voasambotra amperin’asa teny Tsaralalàna omaly ny mpangarom-paosy sady mpanao sinto-mahery iray. Niharan’ny daroka avy hatrany izy io sady nitrosotrosona tamin’ny tany. Niainga tamin’izany ny ambonin’akanjony ka tsikaritry ny olona ny fonosan-javatra iray nifatotra tamin’ny lamosiny. Toy ny rantsankazo kely izany ilay izy ary mifatotra amin’ny tady. Ody gasy ny fahafantaran’ny olona ny toy ireny ary nataon’ny olon-dratsy hiarovan-tena amin’ny halatra ataony. Misy karazany maro ny herin’ireny ody ireny, hoy ny mpahay azy. Voalohany amin’izany ny fandraikirekena ka tsy andrenesan’ilay voaharom-paosy ny halatra atao aminy mihitsy. Eo ihany koa ny ody reraka izay mampatanjaka ilay mpanao sinto-mahery rehefa mitsoaka izy ka misy manenjika. Farany dia ny ody vono izay tsy andrenesany maharary mihitsy raha tratra izy. Misy ihany koa ny ody totohondry sy daka ka izay midaroka azy indray no mivonto be rehefa avy eo. Na eo aza izany rehetra izany dia tsy manan-kery rehefa tena voasambotra ka tratran’ny fitsaram-bahoaka fa potipotiky ny daroka hatrany ireo mpanendaka.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







