Mandeha tongotra izay tsy manana Ar 500
Tena tsy misy vahaolana mihitsy ve izany ny mikasika ity resaka fiakaran’ny saran-dalana ho Ariary 500 ity e? Tena manao izay tiany ny mpitatitra ary hita fa tsy misy mpiaro ny vahoaka. Tsy voavaly mantsy ny fitakian’ny mpanao fitaterana izay nangataka ny hampidinana ny vidin’ny gazoala ho ambany dia ambany. Fitakiana izay toa filam-baniny ihany satria tamin’ny nidina ny vidin-tsolika tsy hita izay nataon’ny mpitatitra teo. Matihanina sy mitady vola izy ireo ka manana ny zony tanteraka hampiakatra ny saran-dalana amin’izay tiany hanaovana azy. Na izany aza dia iaraha-mahita ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Toa ny madinika ihany no mifampitsetsitra rehefa tena jerena ny zava-misy. Iaraha-mahalala mantsy ireo mpanao fitaterana taxi-be fa tsy mpanefoafo akory ny ankamaroany na dia milaza ho matihanina aza. Ireo tena manan-katao sy mahay tsara ny resaka fitaterana dia any amin’ny zotra nasionaly no tena mampiasa vola. Raha olona mahavidy fiara tsaratsara tsy hanao taxi-be izany fa ireo fiara efa rotika sy tsy dia mahavita manezaka intsony sisa no ampiasaina eto an-drenivohitra. Ireny fiara tsy manara-penitra ireny anefa no ireharehan’ireo mpitatitra sy anaovany takalon’aina lava izao ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka. Seza tsy zarizary, fitaratra tsymisy, sady fiara tery sy maloto ary mihotakotaka be ny an’ny sasany dia miseho mampiaka-peo sy be vava fa hampiakatra saran-dalana. Arakara-tarehy voajavatra hoy ny fitenenana ka mila manatsara ny fiarany aloha ireo mpitatitra vao mitaky fanondrotana ny sarany. Hevitry ny vahoaka tsotra ireo saingy kosa raha ny tokony ho izy dia tsy misy antony hampiady ny mpanjifa sy ny mpandeha satria samy mba mitady izay hahametimety azy ny roa tonta. Ny fifandirana sy ny tsy fifanarahana toy izany no ilana ny fitondram-panjakana. Misy mpiasam-panjakana mantsy karamain’ny vahoaka isam-bola hanao izay hampirindra sy hanara-maso ny fanajana ny kalitaon’ny fitaterana eto amintsika. Raha ny tokony ho izy dia misy zotra sasany, tena tokony tsy hahazo alalana hiasa intsony ny fiara rehetra ao aminy. Ireny mbola mampiasa fiara mazda ireny no tena tsikaritra amin’izany. Tena rotika be ireo fiara ary mahagaga ny antony mbola ahazoan’ireny fahazoan-dalana aorian’ny fanamarinana ara-tekinika izay fanao isan-telovolana. Ratsy loatra kosa ireo mazda mbola miasa eto an-drenivohitra ary tsy maintsy lazaina izany na mety tsy hahafaly ny tompony aza. Alohan’ny hampakarana ny saran-dalana izany dia mila manao izay hanatsarana ny kalitaon’ny fiarany sy ny fomba fiasany ny Uctu. Ity fikambanana ity mihitsy no tokony hanara-maso sy handrara ireo fiara efa tena ratsy loatra mba tsy hiasa intsony ary hitory ireny eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana mahefa. Ny tena loza dia mifampiaro ireo mpitatitra tsy manara-dalàna rehefa misy ny fepetra raisin’ny tompon’andraikitra. Loza mitatao ho an’ny vahoaka anefa ireny rehetra ireny ary efa maro no maty sy naratra ary simba fananana vokatry ny hadalan’ny mpitatitra. Izany rehetra izany no zava-misy nefa tsy misy mpijery. Manararaotra manao izay saim-patany sy mahavelombelona azy ny mpitatitra satria malemy ny Fanjakana tsy sahy miteny sy manasazy azy ireo. Tsy misy miaro rahateo ny vahoaka ka izay mitady hidrikina tsy handoa Ar 500 dia iharan’ny herisetran’ny mpitatitra. Io no mahatonga ny mpanijfa hihevitra fa toa misy fifanarahana ihany eo amin’ny manam-pahefana sy ny mpitatitra izay nahavita nampiakatra hatrany ny saran-dalana amin’ny fotoana itiavany azy nefa tsy mbola hita taratra mihitsy izay fanavaozana nentina. Aiza izao ireo fiara fitaterana vaovao nolazaina fa nafarana tany Chine? Efa an-taonany ry zareo no nampanantena izany nefa toa Ambatobevohoka ilay izy. Mbola taxi-be efa godraka sy maherin’ny 10 taona ny ankamaroan’ireo miasa ary mbola hazokely ny seza ipetrahana. Ireo no zava-misy ka izay tsy faly na tsy manana Ariary500 dia mandeha an-tongotra e !
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







