Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambatofinandrahana – Miaramila 60 hanao fampandrian-tany

Tsy vitan’ny tompon’andraikitra any an-toerana intsony fa tsy maintsy nandefasana miaramila hanampy ny mpitandro filaminana any Ambatofinandrahana. Tafika miisa 60 lahy no nalefa any an-toerana hanampy ny zandary sy ny fokonolona hiady amin’ny asan-dahalo. Nirongatra be mantsy ny halatr’omby tany amin’ity distrika ity tato anatin’ny 2 vola mahery izay. Lazain’ny tompon’andraikitra ifotony fa taorian’ny fametrahana ny hetsika fitandroana fahalemana tany an-toeran-kafa dia nikisaka any Ambatofinandrahana ireo dahalo. Mandray ny andraikiny ihany ny zandary sy ny fokonolona ary ny kalaony saingy tsy mitovy ny hery sy ny fitaovam-piadiana ka matetika miala maina. Efa sahy manafika amin’ny antoandro be nanahary ireo malaso ary manao andiany maro hatramin’ny 60 sy 80 lahy ary mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo. Faramparany teo izao dia omby miisa 44 no  nalain’izy ireo tamin’ny 1 ora tolakandro tao Betaimboraka. Nanao ny fanarahan-dia ny vahoaka sy ny zandary saingy omby 20 ihany no tafaverina. Zava-dehibe, noho izany, ny fahatongavan’ireo vata-miaramila miisa 60 ireo ary andrandrain’ny vahoaka mihitsy ny hametrahana maharitra azy ireo any mba ho tena tadroka ho aron’ny vozona sy hiaro ny vahoaka manoloana ny dahalo izay efa nosokajiana ho fahavalom-pirenena.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre