Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Antsiranana – Lehilahy nisy namono dia natsipy tao anaty rano

Heverin’ny olona ho nisy namono ny lehilahy iray hita faty teny amin’ny morontsirak’Antsiranana. Nahitana ratra mantsy ny handriny sy ny vavany ary nivoaka rà ny masony. Raha tsy niniana novonoina izy io dia mety tratran’ny lozam-pifamoivoizana ka natsipy tany anaty rano hoy ny filazan’ny olona. Tsy mbola nibontsina ilay faty, izany hoe tsy nijanona ela tao anaty ranomasina dia natsipin’ny onja teny amin’ny sisiny raha ny fiheveran’ireo nanatri-maso azy. Efa fantatra kosa ny mombamomba azy ary efa nampandrenesina ny fianakaviany.  Tsikaritra kosa anefa tato ho ato fa mihamaro ny olona maty an-dranomasina.  Saika ny toerana rehetra amin’ny morontsiraka dia andrenesana loza toy izany foana.  Ny tatitry ny zandarimariam-pirenena sy ny olon-tsotra amin’ireny toerana manamorona ny ranomasina ireny no andrenesana olona lasan’ny rano fa nandro na ihany koa efa faty sisa no hita.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre