Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Madajazzcar – Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny Antsahamanitra

Raikitra indray ny hetsika ara-kolontsaina « Madajazzcar » ary efa tonga amin’ny andiany faha 27 izy amin’ity taona ity. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny Antsahamanitra ny sabotsy lasa teo izany ary tonga nanotrona teny an-toerana avokoa ireo matihanina amin’ity mozika ity. Ny mampiavaka ity hetsika ity hatramin’ny fiandohany moa dia ny fandraisan’ireo mpanakanto vahiny anjara mba hahafahana mifampizara traikefa sy fahaizana. Araka izany dia mpitendry azo lazaina fa efa kalaza amin’ity mozika Jazz ity no tonga nandravaka ny fampisehoana toa an’i Jin Jim avy ao Alemana sy ry Francis Lockwood  avy ao Frantsa izay narahan’ny fahaiza-mitendrin’i Fanaiky, Mendrika Rasolomahatratra sy Tsanta Randriamihajasoa. Araka ny voalazan’ny mpikarakara dia sehatra iray ihany koa ny Madajazzcar mba hahafahan’ireo mpitendry vahiny sy malagasy miara milalao eny ambony sehatra. Izany indrindra no mahatonga izao fiaraha-miasa izao. Ankoatra izany, nanome fahafaham-po ireo mpijery izay tonga maro ihany koa ireo mpanakanto malagasy toa an-dry Tower, Full Vao Band, Joelle Claude, Samy Andriamanoro, Silo « Elektradam » niaraka tamin’i Naree Sam sy Jazz Quart. Samy nandresy lahatra ny mpijery tamin’ny fahaizany mitendry avy ireto farany ary hita fa be mpakafy tokoa. Na samy Jazz tokoa aza no lalaovina dia hita ny mampiavaka ny mpitendry tsirairay na eo amin’ny fomba fitendry izany na  eo amin’ny filalaovana ny zava-maneno. « Mahafinaritra satria tonga maro ny mpijery ary miha maro ny tanora lina amin’ity mozika Jazz ity. Voasokajy ho mozikan’ny antitra sy ho an’ny mpanan-karena ihany manko izy ity. Diso tanteraka anefa izany. Izany indrindra no anisan’ny tanjonay amin’ity taona ity, mba hahatonga ny Jazz ho mozikam-bahoaka », hoy i Desiré Razafindrazaka, mpikarakara ity hetsika Madajazzcar ity. Tsy mijanona eto akory ny lanonana fa mbola hitohy mandra-pahatongan’ny faha 14 ny volana oktobra.

Ra Tax.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre