Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Maromandia – Lehilahy iray hita faty nahitana ratra maromaro

Mampametra-panontaniana ny maro matetika ny fahitana fatin’olona eny amoron-drano na eny amoron-dalana indrindra rehefa feno ratra ny vatany. Maty novonoin’olona tokoa ve sa voaendaka sa namono tena fotsiny izao. Lehilahy iray tokony ho 25 taona teo indray mantsy no hita faty tao anaty rano tao amin’ny toerana antsoina hoe Maromandia, fokontany Ampamaventy ao amin’ny distrikan’i Analalava ny zoma lasa teo. Ny sefo fokontany tao an-toerana ihany moa no nahita ny razana tany ho any amin’ny dimy ora hariva tany ary nampandre avy hatrany ny zandary tao amin’ny borigady Maromandia. Rehefa natao ny fanadihadiana dia mitondra ny anarana hoe Sola ilay rangahy ary olona monina ao an-toerana ihany. Araka ny vaovao azo dia tamin’ny alahady faha 25 ny volana septambra teo, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva no nisaika teo amin’io rano io ity niharam-boina ity. Tsy nody ny trano intsony anefa izy ary niezaka nikaroka azy ihany ny fianakaviana saingy tsy nahita vokany mihitsy. Akory ny hagagana rehefa nahare fa hita faty teny amoron-drano ilay lehilahy. Tamin’ny fitsirihana nataon’ny dokotera no nahitana ratra maromaro teny amin’ny faritry ny vatany. Mipetraka noho izany ny fanontaniana hoe niady ve ity farany sa nisy namono. Ny azo lazaina aloha dia tsy teo amoron-drano no nanaovan’ireo mpamono olona ireo ny asa ratsiny raha toa ka tena nisy namono marina izy satria araka ny vaovao azo ihany dia nobataina teo amin’io toerana io izy vao tsy ela akory. Mitohy noho izany ny famotorana ataon’ireo zandary ao amin’ny borigady Maromandia.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre