Miandrivazo – Jiolahy telo nitifitra mpamily taksiborosy
Taksiborosy iray mampitohy an’i Masiakampy sy Morondava no nisehoana fanakanan-dalana, ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora hariva. Teny amin’ny toerana antsoina hoe Antsakoabemaika, 10 km tsy hidirana an’i Masikampy no nitrangan’izany. Vantany vao nandalo ilay fiara avy hatrany dia jiolahy 3 mirongo basy no nitifitra ny varavaram-pitaratra teo aloha. Voan’ny bala avy hatrany ilay mpamily ka nitolefika tanteraka, saingy tafajanony ihany nefa ilay fiara. Tsy nisy naratra kosa ireo mpandeha rehetra. Araka ny vaovao voaray, nirifatra nitsoaka ireo olon-dratsy rehefa avy nanao ny fitifirana ary tsy nisy akory ny fandrobana nataon’izy ireo. Niezaka nitondra ilay mpamily tany amin’ny toeram-pitsaboana izay akaiky indrindra ireo mpandeha saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny habetsahan’ny ra very taminy. Ny mpitandro filaminana any Miandrivazo no manao ny fanadihadiana sy fikarohana amin’izao fotoana izao.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







