Vous êtes ici :

Vendredi 10 Mai 2024

ombre

Tontolo iainana adala tompo

Anisan’ny ady tsy mety ahazoan’ny fitondram-panjakana nifandimby teto mihitsy ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary. Mibaribary ankehitriny ny tarazon’ny tsy fisian’ny politikam-pitantanana matotra ny zavaboahary eto Madagasikara. Ny antontan’isa fotsiny no miraradraraka izay entina milaza fa tena paradisa kely mihitsy eto raha ny zava-maniry sy biby tsy fahita na aiza na aiza no resahina saingy tsy tafampita any amin’ny vahoaka akory izany. Maro amin’ny malagasy no mbola tsy nahita imaso izany ragidro sy karazam-bibilava ary vorona mampiavaka an’i Madagasikara izany.

Tsy manam-bola handehanana hitsidika valan-javaboahary mantsy ny ankamaroan’ny olona fa dia mionona amin’ny fitantarana heno amin’ny haino aman-jery fotsiny ihany. Rehefa tena zohina dia ny vahiny sisa no miezaka miaro ny ny tontolo iainana eto Madagasikara. Ilain’izy ireo rahateo ny fikajiana ny ala satria sady toerana fitsangatsanganana ho azy ireo ireny no ihany koa laboratoara voajanahary hanaovany fikarohana. Ny malagasy tsy mandray andraikitra mihitsy. Matoa misy malagasy mampiaka-peo sy mijoro ho mpiaro ny tontolo iainana dia olona mikarama amin’io sehatra io izy ireny. Mpiasa amin’ireny vondrona sy fikambanana tsy miankina vatsian’ny vahiny vola  hiaro ny zavaboahary malagasy, ireny olona miseho ho mpiaro ny tontolo iainana ireny.

Tsy mahagaga raha tsy tafampita any amin’ny vahoaka ny hafatra satria fantatry ny vahoaka fa bizina sy fotom-pivelomana fotsiny no mody iarovan’ny sasany ny tontolo iainana. Ny tena mamohehitra aza dia mampiaka-peo sy manaratsy ary sahy maniratsira vahoaka mihitsy ireo malagasy mandray volabe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Lazain’izy ireo fa tsy mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny harem-pireneny ny vahoaka tsotra. Soketaina ihany koa ho tena tompon’antoka amin’ny fanimbana ny tontolo iainana ny rehetra.

Raha tena miasa ny fanjakana sy ireo vondrona miseho ho mpiaro ny tontolo iainana dia tsy hisy ireny sokatra sarona aty Antananarivo ireny. Tokony ho eny am-potony, izany hoe any amin’ny toerana hakana ireo biby dia efa sarona ireo mpanondrana. Fantatra sy voafaritra mazava mantsy ny toerana misy ny sokatra sy fakan’ny olon-dratsy azy ireny nefa dia mahagaga fa zara raha misy ireo sarona eo am-pakana izany. Efa fantatra ihany koa ny lalàna rehefa hitondra ireo sokatra nefa dia aty Antananarivo sy eny Ivato ary any amin’ny seranam-piaramanidina hafa avy any ivelany vao sarona izy ireny. Mampiseho ireo rehetra ireo fa tena goragora ny fanaraha-maso sy ny firaovana ny tontolo iainana eto amintsika.

Resaka ambony latabatra no betsaka ary natao fitadiavam-bola fotsiny. Tsara ampahatsiahivina mantsy fa vola amina miliara ny fanampiana azon’i Madagasikara amin’ny sehatr’asa fiarovana ny tontolo ianana. Maro amin’izany vola izany no trosa tsy maintsy haverina sy hefain’ireo taranaka fara mandimby. Mahagaga anefa fa tsy mitsahatra miharatsy ny zava-misy mahakasika ny tontolo iainana. Manezakezaka mitabataba etsy sy eroa ireo vondrona milaza fa mpiaro nefa ny antontan’isa omen’izy ireo dia mifantoka amin’ny hoe miha ripaka ny ala, miha lany tamingana ny biby sy ny zava-maniry, miha mafana ny tany,…Rehefa tena zohina sy tsorina ny marina dia tsy mahomby ny politika fiarovana ny tontolo iainana izay ankinina betsaka amin’ny asan’ireo fikambanana tsy miankina. Mandany vola fotsiny izy ireny fa tsy mahavita vokatra. Raha samy tsy hamokatra ihany aleo ihany ny fanjakana sy ny vahoaka ifotony no homena ny famatsiam-bola rehetra amin’izay na ho lany aza ny vola dia mba ny vahoaka madinika no nihinana azy. Izy sy ny taranany ihany mantsy no tsy maintsy hamerina izany any aoriana any.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre