Vous êtes ici :

Lundi 20 Mai 2024

ombre

Asa fanendahana – Mpanao gazetin’ny Tvm iray no lasibatra

Rehefa nangina nandritra ny fotoana vitsy monja ny tsy filaminana tany amin’iny faritra Sambava iny dia miverina indray izy amin’izao fotoana izao ary miha mafy hatrany. Malaza indray mantsy fa miverina mahazo vahana any an-toerana ireo andian-jatovo mahery fihetsika na ireny antsoina hoe « Foroche » ireny ary manakorontana  ny tanàna sy manendaka no tena ataon’izy ireo amin’izany. Tsy vao ela akory mantsy no nandravarava tao amin’ny trano fihetezana malaza iray tany an-toerana izy ireo. Norobain’izy ireo avokoa na vola na entana hatramin’ny firavaka sy ireo fitaovana maro lafo vidy. Ny sabotsy alina lasa teo dia mpanao gazety iray avy ao amin’ny Tvm indray no lasibatra. Araka ny vaovao azo dia efa nanaovan’ireo mpanendaka kendry tohana ity farany satria izy nandeha namonjy fodiana iny indrindra no nosakan’ireo andian-jatovo ary tsy namelan’izy ireo raha tsy namoaka izay tany anaty entany rehetra. Lasa tamin’izany ny fitaovam-piasana lafo vidy maro tao anaty kitapo toy ny fandraisam-peo. Fitaovana izay mbola feno asa maro dia maro tokony halefa ny ampitso. Araka ny vaovao azo hatrany dia efa mametraka paikady ny mpitandro filaminana any an-toerana mba hisamborana ireo andian-jatovo mahery fihetsika ireo.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre