Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Maevatanana – Nofaohan’ny kamiao ilay trano kely fivarotana kafe sy mofo

Hamamoan’ny mpamily diso tafahoatra na fihetraketrahana tsotra izao. Ireo no heverina fa niteraka ity loza nitranga tany amin’iny faritra Betsiboka, ao amin’ny distrikan’i Maevatanàna iny. Toeram-pivarotana kafe sy mofo no nofaohan’ny kamiao lehibe marika Renault iray. Ny Sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva no nirimorimo teny amin’iny lalam-pirenena faha-4 iny ilay fiara ary raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia mihoatra ny hafainganam-pandeha tokony ho izy ity kamiao ity. Voalaza fa lehilahy vao erotrerony no nitondra ilay fiara satria vao 23 taona monja ary monina ao Tanjombato, distrikan’Atsimondrano.  Ao anaty fiolanana tanteraka  ilay fivarotana ka voadona mafy dia mafy. Potika noho izany ilay fivarotana ary tsy nahitana fahasimbana kosa ilay fiara lehibe. Niparitaka eraka ny arabe ny fitaratra nisy ny mofo, ny siramamy sy ny dite ar ny kafe. Tsy nisy ny olona naratra na maty tamin’izany fa ny nampalahelo dia ny mba fitadiavana kelin’ireto ankohonana iray no simba tao anatin’ny segodra vitsy monja, vokatry ny tsy fitandreman’ny sasany. Noraisin’ny polisy ao Ambalanjanakondry ny raharaha.

Ra Tax.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre