Antsohihy – Vazaha iray voatafika tao an-tranony
Vazaha lahy iray no nisy nanafika tao an-trano tany Ambodimandefy Antsohihy ny alahady lasa teo. Manam-bady vehivavy malagasy ity teratany vahiny ity ka tao an-tranon’ny zaodahiny izy no niharan’ny herisetran’ireo jiolahy. Tsy nanaiky nolembenana anefa ilay frantsay fa nanohitra ireo mpanafika ka naratra tao anatin’ny fifanjevoana izy. Voaroban’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola mitentina 500 euros teny aminy niaraka tamin’ny pasipaoro sy karatra fakana vola any amin’ny banky ary ny telefaonina. Tao anaty kitapo iray ireo rehetra ireo ka niaraka nobatain’ireo jiolahy. Efa manao ny famotorana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Antsohihy saingy tsy mbola misy tratra ireo jiolahy. Ahiana kosa ny mety hisian’ny tsikombakomba amin’ity raharaha ity satria mety ho olona mahafantatra ilay vazaha ihany no naniraka ireo mpanafika. Nahagaga mantsy ny tsy namonoan’ireo jiolahy ireo ilay teratany vahiny rehefa nanohitra ity farany. Izany hoe tsy misy antony hamonoan’izy ireo olona raha toa ka fantany ihany fa halatra tsotra no nitranga. Tombatombanan’ny mpanara-baovao ihany anefa izany rehetra izany fa ny valin’ny famotorana sy fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ihany no hahafantarana izay tena zava-nisy marina. Manaratsy endrika an’i Madagasikara sy ny malagasy ny fanafihana vahiny nisesisesy tato ho ato. Olom-bitsy kamo hiasa no manao ny ataony dia ny vahoaka iray manontolo no voasoketa eo imason’izao tontolo izao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







