Sambava – Tratra teny ambony môtô ny mpivarotra basy
Nandeha môtô ireo mpivarotra basy no saron’ny mpitandro filaminana. Teny amin’ny lalam-pirenena faha-5 no nitrangan’izany ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Polisy manao fisavana andavanandro no nanakana ilay skotera nandalo ary nanontany ny taratasy sy ny pitsopitsony rehetra. Nijanona tokoa ilay mpitaingina kodiaran-droa ary nanana ny taratasy ara-dalàna. Tsy nampiseho fihetsika hafahafaha hamatarana fa olon-dratsy mihitsy izy ireo. Tsy nampoiziny anefa fa nangataka ny hisava ny sakaosiny indray ny polisy avy eo. Teo vao sadaikatra ilay lehilahy nefa tsy afaka ny namaly satria tsy nisy fomba hahafahany nandositra intsony. Rehefa nojerena ilay kitapo dia nahitana basy vita gasy kalibra 12. Nambarany tamin’ny mpitandro filaminana fa izy ihany no nanamboatra ilay basy ary nokasainy hamidy izy io. Tsy nisy bala niaraka tamin’ilay basy kosa rehefa nandraman’ny polisy napoaka. Anisan’ny rangory fototry ny afo mampirongatra ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara ny fivarotana basy antsokosoko. Efa maro rahateo ireo fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ka na ny mpitandro filaminana aza vonoin’izy ireo rehefa mifanehitra aminy. Ankoatra ny fampidirana basy antsokosoko eto amintsika dia miroborobo be mihitsy ny fanamboarana basy vita gasy. Misy olona maranin-tsaina sy manan-talenta saingy ampiasainy amin’ny zava-dratsy izany fa tsy amoronana fitaovana entina hiasana amin’ny fampandrosoana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







