Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambohimandroso – Lahy antitra 62 taona no lehiben’ny jiolahy

Matetika lasibatry ny fanakanan-dalana iny lalam-pirenena fahafito iny, izay mampitohy an’Antananarivo sy Toliara. Ny zoma lasa teo mantsy, teny Antsetsindranon’ny Ntaolo, Pk91, 3km tsy hidirana an’Ambohimandroso dia jiolahy 11 no tratran’ny mpitandro filaminana nanao fanakanan-dalana, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Araka izany dia mpamily kamiao iray no nahatazana vato lehibe maromaro sy baorina kilometrika iray nipetraka teny amin’ny arabe. Saingy natanjaka moa io fiara io ka tsy nahatazona azy ireo sakana ireo. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ilay mpamily raha vantany vao tonga teny Ambohimahasoa ary nidina nanao ny fizahana ireto farany. Rehefa tonga teny an-toerana mbola nosakanan’ireo jiolahy indray koa. Nitsoaka tany anaty hantsana ireo olon-dratsy raha vao nahatazana fa zandary ireto nosakanana ka raikitra tamin’izay ny fifanenjehana. Tsy nanana basy sy fitaovam-piadiana hafa ireo olon-dratsy tamin’ity indray mitoraka ity ka tsy nilanja izany koa ireo zandary. Vokatr’izany, jiolahy 4 no tratra teo no ho eo ary lahy antitra 62 taona no zokiny indrindra ary nentina natao fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny zandary tao Ambohimandroso izy ireo. Tamin’izay dingana izay no nahatratrarana ireo 7 tafatsoaka tamin’ny fifanenjehana. Nilaza ny lieutenant Razafimandanona Tharcisius, commandant de compagnie territorial de la gendarmerie nationale ao Ambatolampy fa mpamboly ny ankamaroan’ireo olon-dratsy ireo, ary saika mpihavana avokoa. Hanandrana hametraka sakana eny an-dalana no fikasan’izy ireo ka raha tsy mahomby ny tetika dia zareo ihany no hanitsoka any amin’ny polisy ireo fiara tsy voasakana. Nanamafy ihany koa ity farany fa tokony hanaiky ny fandaminana apetraky ny zandary ireo mpandeha lavitra toy ny fanakanana sy ny maro hafa izay atao, ahafahana manamora ny fisamborana ireo dahalo.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre