Hapoakan’ny sinoa ny tantaran’Imerina
Tafiditra eto ankibon’Imerina tanteraka ny sinoa amin’izao fotoana izao ary tsy vitan’ny eny Behoririka intsony fa efa mikisaka tsikelikely handrava ireo toerana manan-tantara mahakasika ny fiandohan’ny malagasy mihitsy izy ireo. Fantatra izao fa tadiavin’ny sinoa hapoaka sy hotrandrahina ny tendrombohitra lehibe iray izay tena manan-tantara eny akaikin’Ambohimamory Anjeva iny. Raha ny fanazavan’ny zanaka am-pielezana avy any an-toerana dia efa nahazo fahazoan-dalana hitrandraka mandritra ny 40 taona ao ny orinasa sinoa iray. Mitana harena ara-kolontsaina maro, toy ireo vohitra rehetra manodidina ny renivohitra anefa io toerana io ary nanana ny naha-izy azy tamin’ny vanim-potoanan’ny faha-mpanjaka. Raha hapoaka havadika vatokely io tendrombohitra misy haram-bato io dia hirodana hiaraka amin’izany ihany koa ny am-pahany betsaka amin’ny tantaram-pirenena. Ankoatra izany dia mirakitra loharano mamatsy ny rano fisotro ny mponina eny amin’ny manodidina ihany koa io toerana io. Izany hoe tena iankinan’ny fahaveloman’ny vahoaka malagasy monina any anjeva sy ny manodidina. Mahagaga anefa fa nomena ny vahiny ho trandrahiny. Mipetraka ihany ny fanontaniana hoe iza tokoa moa izany ny manam-pahefana hanome ireny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany ireny. Mety hisy hamaly hoe teknisianina sy tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Marina izany ary mety hilaza ireo olona ireo fa manam-pahaizana sy afaka mandanjalanja ny fanapahan-kevitra raisiny saingy tsy azon’izy ireo hadinoina fa sarobidy lavitra noho ny vola aman-karena ny tantaram-pirenena. Matoa mbola mijoro toy izao ny malagasy rehetra manerana ny Nosy dia manana ny niandohany sy ny tantarany avokoa. Tsy azo hitsakitsahina sy potehina amin’ny fitadiavam-bola sy tombontsoa ho an’ny sinoa ny tantaran’ny malagasy. Mety misy ny maty fanahy sy jamban’ny fitiavan-toerana fa ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy dia tsy mankasitra velively ny hanomezana ny vahiny ny taniny. Manana fanazavana ara-tekinika ireo tapim-pahaizana ao amin’ny minisitera izay milaza fa tsy namidy ny tany fa nampanofaina. Ny fomba fanonona azy no samihafa fa ny vokany mitovy ihany. Potika ilay toerana ary lasan’ny vahiny ny harem-pirenena tao anatiny. Marihina anefa fa raha ny fanazavana farany nentin’ny teknisianina ihany dia 2% monja no tamberim-bidy mba azon’ny Fanjakana amin’ireny fitrandrahana ireny. Ny 98% n’ny tombotsoa izany dia lasan’ny sinoa avokoa. Iaraha-mahita rahateo ny zava-nitranga rehetra fa tsy manaja ny fifanarahana ireo mpitrandraka sinoa ka sady manivaiva ny fiarahamonina sy ny fomban-tany no mbola tsy mitandrina ny tontolo iainana ihany koa. Tsy manaiky izany rehetra izany ny vahoaka ka izay no mahatonga ny fihetsiketsehana etsy sy eroa. Tsy ny ao Soamahamanina ihany fa efa maro toy ny teny Anosiala, ny tany Maintirano,…dia io fa hipoaka indray ny eny Anjeva. Tsy azo amidy i Madagasikara hoy ny vahoaka ary na hampiasa hery famoretana aza ny mpitondra dia tsy hampiova inona izany. Loza mitatao ho an’ity firenena ity ny fizirizirian’ny manam-pahefana manome alalana ny sinoa hanao ampihimamba ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Iaraha-mahita mantsy fa mihitatra be ny hetsi-bahoaka manohitra ireny fitrandrahana ireny. Isaka alakamisy izao dia misy hatrany ny fihetsiketsehana sy fifandonana eny Soamahamasina. Hihitatra amin’ny toerana hafa misy fitrandrahana toy ny eny Anosiala sy Anjeva ary any amin’ny faritra maro izany. Tsy mila mangataka an’Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 mey intsony ny vahoaka rehefa hanao hetsika fa hifindra amin’ireny tanàna manodidina ireny. Tsy azon’ny mpitondra hadinoina fa tsy fahavalon’izy ireo ny vahoaka fa kosa mitady ny fanajana ny zo haneho hevitra sy hiaro ny tany nomen-janahary sy navelan’ny razana. Tsy aleo ve roahina any ny sinoa dia mamitram-pihavanana amin’ny samy malagasy. Vahoaka malagasy madinika firy no efa nosamborina sy noratraina ary nogadraina satria miaro ny tombontsoan’ny sinoa ny Fanjakana.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







