Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ankify – Rendrika ny vedety nitondra ny tarika Dadilove

Niharan-doza ny vedety nitondra ny tarika Dadilove ny fiandohan’ity herinandro ity.  Rendrika tao Ankify io fitaovam-pitaterana an-dranomasina io rehefa teny amin’ny 70 metatra tsy hidirana ny fiantsonana. Efa za-drano avokoa ny tao anatiny ka tsy nisy maty na naratra. Simba sy lasan’ny rano kosa anefa ny antsasaky ny fitaovana fanamafisam-peo sy ny zava-maneno fampiasan’ity tarika mpihira efa malaza ity. Mbola manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana hijerena izay antony mety ho nahatonga ny loza. Mateti-pitranga ny loza an-dranomasina tato ho ato ka mila mitandrina tsara ny mpampiasa ireny vedety sy karazan-tsambo kely ireny. Ankoatra ny fatiantoka eo amin’ny entana simba sy lasan’ny rano ary ny fahasimban’ny fitraovam-pitaterana dia goavana ny risika hisian’ny olona maty an-drano amin’ny faharendrehana vedety. Soa fa nieren-doza ry Dadilove.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre