Nosy Be – Maty namono tena ilay sipam-bazaha
Vatana mangatsika sisa no novantanin’ny olona tao an-tranony. Heverin’ny rehetra ho maty namono tena ny tovovavy iray monina any Nosy Be. Nihantona tamin’ny tady mantsy ny tendany ary tao an-tranony ihany no nitrangan’izany. Vao 22 taona monja io tovovavy io ary fantatra fa misakaiza amin’ny vazaha lahy iray monina any an-toerana ihany. Tsy fantatra kosa izay anton’izao famoizam-po nahazo azy izao na misy ifandraisany amin’ny raharaham-pitiavany na tsia. Efa nijery ifotony ny zava-misy ny polisy sy ny zandary ka ny polisy no manao ny fanadihadiana. Tato ho ato dia ny lehilahy hatrany no re fa mamono tena saingy lasa vehivavy indray no nanao izany tamin’ity indray mitoraka ity. Ny fihinanana fanafody marobe ihany koa no matetika famonoan’ny vehivavy tena fa tsy ny fihantonana toy izao. Misy ihany ny ahiahy sao dia mba novonoina izy saingy tsy maintsy ny polisy no afaka manamarina izany na tsia. Heverin’ny sasany kosa fa fahadisoam-panantenana ara-pitiavana no mety nahatonga izao famonoana tena izao raha toa ka izay tokoa ny zava-misy. Mahabe olana rahateo ny fiarahana amin’ireny vazaha ireny izay malaza fa tena ifandrombahan’ny vehivavy malagasy.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







