Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Rafi-pampianarana – Lesoka maro no mbola tokony harenina

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 4 Oktobra ary hifarana rahampitso Alakamisy ny atrikasa entina hamolavolana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara. Atao any Ihosy io fivoriana io ary solontena maromaro isaka ny faritra 22 no tonga manatrika izany any an-toerana. Lohahevitra maromaro no dinihina mandritra izany, izay atao amin’ny endrika fifanakalozana ka andraisan’ireo  solontena tsirairay anjara. Izao no atao dia mba hahafahana manarina ny lesoka sy manatsara ny fampianarana amin’ny ho avy ary koa hanomezana  fahafaham-po ny mpampianatra sy ny mpianatra. Ao ny mikasika ny fomba fampitana sy ny fanatsarana ny fandaharam-pianarana amin’ny ankapobeny, ao ihany koa ny fomba famolavolana laza adina havoaka amin’ny fanadinam-panjakana. Tsy hadino ny fandinihana ny rafitra Licence – Master – Doctorat (Lmd) sy ireo maro samihafa tsy voatanisa, izay fantatra fa manan-danja lehibe ho an’ny mpianatra. Ny fahafahana manitsy ny fomba fampianarana amin’ny ankapobeny mba hifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra malagasy no tanjon’ity atrikasa ity. Eo ihany koa ny mba tsy hahatonga azy ireo handà fianarana fa hahay hanome lanja ny fianarana, izay antoky ny  hoaviny iray manontolo. Fantatra mantsy fa antony tsy ahavitan’ny ankamaroan’ny ankizy fianarana hatramin’ny farany ny hakamoana noho ny tsy fahampian’ny enti-manana sy ny fahamaikana hahazo vola noho ny fakam-panahy maro samihafa.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre