Tanjombato – Tsy nety nando saran-dalana 500 Ar ny iray Taxi-be
Raha ny tokony ho izy marina dia tsy misy antony loatra tokony hampiakarana ho 500 ny saran-dalana satria ny vidin’ny solika dia efa midina hatrany, na eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izany. Na maro tamin’ireo tmpon’ny fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra aza no nitazona ny saran-dalana amin’ny mahazatra dia tsy vitsy ireo nampiakatra izany ary mbola tsy nanisy tapa-dalana ihany koa. Mahakasika izay fiakarana izay indrindra dia saika tsy nety nandoa saran-dalana 500 Ar ny iray fiara teny amin’iny faritra Tanjombato iny androany. Fiara F izay mitatitra ny olona avy any Ambatofotsy mankany Anosy no niharan’io tranga io. Araka ny vaovao azo dia efa rotika tokoa ilay fiara satria na ny ankamaroan’ny seza aza efa tsy misy fiankinana intsony. Tsy vitan’izany fa mbola tsy nanaja ny mpandeha ihany ilay resevera satria mbola nataony taingim-be ihany ny fiara ary efa nifanitsa-kitro mihitsy. Maro noho izany ireo nimenomenona sy nitaraina ny amin’ny tokony hampidinana ireo olona mihoatra ireo saingy tsy nohenoin-teny ireto farany. Tonga amin’izay ny fotoana fitakiana saran-dalana vao nikoropaka ity resevera fa tsy nety nanolotra saran-dalana daholo ny olona ary nandrahona ny hidina an-dalana avokoa. Nilaza ny ankamaroan’izy ireo tamin’izany fa 400 Ariary ihany satria na ny fiara aza tsy manara-dalana intsony. Natahotra ireo polisy nijorojoro teny an-toerana ilay mpamily sy ilay resevera ka nampidina ihany ireo nihoatra ary nanaiky ny 500 ihany koa ny olona taorian’izay. Na izany aza tokony hasiana fandinihana ihany ity saran-dalana midangana ity satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hipoaka ny sarom-bilany satria tsy ho zakan’ny fahefa-mividin’ny olona izy ity.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







