Sambava – Zaza roa maty nipoahan’ny birike
Zaza mpiraitampo no indray maty nirehitra irery tao an-tranony tany Sambava. Birike nipoaka ho azy tao ambany fandriana no voalaza fa nahatonga ny loza. Ankizikely miisa 3 mirahalahy izy ireo no tao an-trano tamin’io fotoana io fa tsy nisy olon-dehibe. Vantany vao nisy ny firehetana dia lasa nitsoaka tany ivelany nampandre sy ny manodidina ilay zokiny indrindra vao 5 taona monja. Rehefa tonga anefa ny mpamonjy dia efa maty tao an-trano ireo zandriny 3 sy 2 taona. Tsy nisy na inona na inona azo natao intsony ankoatra ny fikarakarana ny vata-mangatsiakan’ireo tsy manan-tsiny. Lasa lavenona ihany koa ilay trano ary tombanana any amin’ny 6 tapitrisa Ariary any ny tetibidin’ny fahasimbana.
Tena mandravarava ary loza mahatsiravina mitatao ho an’ny fiarahamonina mihitsy ity resaka afo ity. Efa am-polony maro ny olona namoy ny ainy tamin’ny haintrano hatramin’ny niandohan’ny taona ary amina miliara ny tombambidin’ny fahasimbana. Vokatry ny tsy fitandremana hatrany anefa no mahatonga ny firehetana ary mitana laharana voalohany amin’izany ny zaza tsy misy mpanara-maso sy ny afom-patana ary ny labozia hadino ny namono azy. Misy ihany matetika ny fanentanana ataon’ny Bngrc saingy mbola maro ny olona no tsy mahatadidy ny fitandremana noho ny fahasahiranana.
Ankoatra ny haintrano saika mandravarava amin’ny toerana maro manerana ny Nosy dia mirongatra be mihitsy ny doro tanety sy ny doro ala amin’izao fotoana izao. Zavamaniry sy biby tsy hita pesipesenina no simba oa anatin’izany nefa toa tsy misy hita ireo rangory fototry ny afo. Misy ihany ny lalàna napetraka hiadiana amin’ny mpandoro tanety nefa tsy mahomby akory ireny.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







