PETY Rakotoniaina – « Tsy hijanona ny tolona mandra-pisian’ny mangarahara »
Madagascar Matin : Elaela tsy hita Andriamatoa Pety Rakotoniaina, indrindra taorian’ny fifidianana monisipaly tany Fianarantsoa. Roa volana izay hita indray ianao ary miara-dalana amin’ny Mmf sy Dfp. Inona no azonao lazaina mikasika izany ?
Pety Rakotoniaina : Elaela tokoa aho tsy hita taorian’iny fifidianana iny satria nisy fitondrana voafidy tsy nankasitrahanay antoko politika Tambatra teto amin’ny firenena ny taona 2013. Mahatsapa manko izahay fa lalana diso ny nanatanterahana iny fifidianana filoham-pirenena iny, izay mampitohy ny krizy eto amin’ny firenena. Resy anefa ny hevitray satria izay tapaky ny besinimaro no notanterahina. Nanaja tena izahay ary tsy nanohana an’iza na iza. Na nisy aza anefa izany tsy fitovian-kevitra izany, tsy nitsahatra nandinika ny toe-draharaham-pirenena izahay. Nandritra izany no nahatsapana fa vao mainka mijaly andro aman’alina ny vahoaka. Ohatra amin’izany ny hetsika ataon’ireo mponina ao Soamahamanina, izay manohitra ny fitrandrahana volamena ataon’ireo orinasa sinoa any an-toerana. Tsy ao ihany fa mbola maro ireo toerana katsahin’izy ireo amin’izao fotoana izao.
Mikasika ny fifidianana monisipaly tamin’ny 2015, kandidà tokoa ny tenako tamin’izany. Nangataka mba hahita maso mazava ireo mpifidy tonga nandatsaka ny tapakilany tao anatin’ny boaty natokana ho amin’izany aho, hisorohana izay mety ho halatra sy fitapitaka. Vokatr’izany fangatahako izany anefa dia izaho indray no nosamborin’ny mpitandro filaminana ary nolazaina fa mpanakorontana ny fifidianana.
Madagascar Matin : Inona marina no tena hevi-dehibe voizin’ny Mmf ?
Pety Rakotoniaina : Niainga tamin’ny fahitana ny zava-misy eto amin’ny firenena no nahafahana nanangana io antoko politika io. Ireo fikambanana rehetra mivondrona ao anatiny dia samy mahatsapa fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitondrana ataon’ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (Hvm). Ny zavatra tsapa sy mibaribary eto ihany koa dia tsy mandray sy tsy mihaino ny tenin’ny vahoaka ny mpitondra. Araka izany, ny tanjona imasoanay dia ny fampahafantarana ny mpiray tanindrazana izany tsy fietezan-javatra izany, na ho an’ny mpitondra izany na ho an’ny olom-pirenena. Handray fepetra haingana izahay satria raha mitohy izao fahasahiranana mianjady amin’ny tsirairay izao dia tsy ho an’ny Malagasy intsony i Madagasikara. Mino anefa izahay fa raha samy sahy hilaza ny tsy fietezam-pitantanana misy eto amin’ny firenena ny tsirairay dia hiova ny mpitondra ka tsy hisy ny vahoaka hijaly.
Madagascar Matin : Eo amin’izay lafiny izay indrindra, andaniny leo ny fitondrana tokoa ny vahoaka raha araka ny feo heno etsy sy eroa, ankilany anefa ny hetsika ataonareo mpanohitra toa efa tsy mahasarika olona loatra intsony. Inona no mety ho anton’izany ?
Pety Rakotoniaina : Voalohany, ny tiako havoitra etoana ho an’ireo vahoaka dia ny mba hinoan’izy ireo ny zavatra hitan’ny masony noho ny zavatra ahiany. Izany hoe, ataoko fa zava-dehibe ny fahasahiana miteny sy mandray fepetra manoloana ny fahitana ny tsy mety, toy izay manao “menomenona mpanompo”. Raha hazavaina misimisy kokoa dia mbola tsy sahy maneho hevitra ihany ny vahoaka manoloana ny fibaribarin’ny tsy fanjarian’ny fitantanana ataon’ny mpitondra. Etsy andaniny anefa tsy omena tsiny izy ireo raha toa ka manao izany satria tsy mahasarika ny maro intsony ny fomba fanatanterahana ny hetsika. Nandray anjara tamin’ny tolona ho an’ny fitiavan-tanindrazana hatrany ny vahoaka hatramin’izay saingy tsy hita akory izay fanovàna marina manoloana ny fampanantenana etsy sy eroa, hany ka manahy mafy izy ireo sao ny ataon’ny teo aloha ihany no hiverina. Faharoa manaraka izany, matahotra ny vahoaka satria ity fitondrana ity no tsy namela ny olona haneho hevitra indrindra. Hita tokoa fa ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola no fototr’izao ratsy rehetra izao raha tsy hiresaka afa-tsy ny fitrandrahana, izay efa mihanaka amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy isika . Ka manao antso avo amin’ny olom-pirenena tsirairay izahay Mmf fa hampanantena tokoa fa tsy hiady toerana ary tena tolona ho an’ny fitiavan-tanindrazana tokoa no himasoana ka tsy hamerina indray ny zavatra tsy nety teo aloha raha toa ka miroso amin’izany tolona izany.
Madagascar matin : Azonao ambara ve ny anjara toeran’ny Mmf manoloana ny zava-miseho any Soamahamanina, raha toa ka manao antso avo amin’ny mpiray tanindrazana ireo mponina ireo mba hanohana azy ?
Pety Rakotoniaina : Ataoko bango tokana ireo olana rehetra misy eto amin’ny firenena. Ao ny raharaha Soamahamanina, ny halatr’omby, ny tsy famelana ireo mpanao gazety haneho hevitra, ny fitarainan’ireo mpandraharaha malagasy sy ny maro hafa tsy voatanisa. Ny vahaolana amin’ireo dia tokana ihany, izay tsy inona fa ny fijerena miaraka ny zava-misy eto amin’ny firenena. Midika izany fa izao no fotoana tokony hiombonan’ny vondron-kery rehetra izay mahatsapa ny tsy mety amin’ny fomba fitantanana ataon’ny mpitondra eto amin’ny firenena, mba hiray hina ka hiaro ny tanindrazana. Amiko, mora kokoa ny mifanatona sy mijoro manoloana izany rehetra izany, toy izay mijanona ao anatin’ny ahiahy. Mbola maro ny mety ho fitohizan’izany raha toa ka tsy vitsy ny manohana ireo mpitolona ireo.
Madagasikara Matin : Andriamatoa Pety Rakotoniaina manokana dia tao anaty tolona foana hatramin’izay. Toy ny fanalana ireo filoham-pirenena teo aloha dia i Didier Ratsiraka sy i Marc Ravalomanana . Ankehitriny kosa mikatsaka indray anefa ianao ny fanalana ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Tsy efa leo ve ?
Pety Rakotoniaina : Nisafidy ny hanao politika aho ary malahelo rehefa misy filazana fa leo politika ny olona. Ny tena marina, nisy foto-kevitra diso tany aloha, izay tsy inona fa ny fanomezan-danja ny vola eo amin’ny sehatra politika. Vokatr’izany, potika tanteraka ny tontolo politika. Tsy ny mpanao politika no nanimba ny firenena fa ny naneken’ny malagasy io hevitra diso io. Ohatra amin’izany, manan-danja kokoa ny malagasy manam-bola noho ny manan-kevitra eo amin’ny fitantanana ny firenena. Raha mbola hanao fifidianana ka tsy hiara-hanaiky ny vahoaka fa hatao zava-pady ny fizaram-bola etsy sy eroa dia tsy hanjaka eto amin’ny tany sy ny fanjakana na oviana na oviana mihitsy ny marina. Milaza marina aho fa tsy hijanona hiady sy hitolona mihitsy aho raha toa ka mbola tsy mety ny fitondrana ataon’ny filoham-pirenena, mandra-pahatongan’ny fanovàna ifotony. Izay tsy inona fa ny fametrahana fepetra mba hisian’ny fahalalahana maneho hevitra, ny fanovàna ny lalam-panorenana, ny tsy fanomezana vahana ny fanondranana ny harem-pirenena ho any ivelany.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







