Mirongatra ny fitakiana !
Raha misy angamba ny sehatra maha tompon-daka ny malagasy dia ny resaka fitakiana. Tsy mitsahatra mihitsy fa mandavan-taona dia misy hatrany ny vondrona sy fikambanana mijoro sy manao fihetsiketsehana mitaky izay heveriny ho zony. Tsy mahagaga raha tsy mety mijanona ny hetsika etsy sy eroa satria tsy misy mamaly ireny. Amin’ny ankapobeny dia fitakiana zo sy tombontsoa no tena mampitroatra ny vondrona samihafa. Malaza indrindra amin’izao fotoana izao ny fitakiana hahafahana maneho hevitra. Tsy resaka politika fotsiny io fa amin’ny fiainam-pirenena ankapobeny mihitsy. Mitaky ny fahalalahana hiteny sy hamoaka vaovao ny mpanao gazety, mitaky ny fahafahana manao hetsika fanehoan-kevitra ihany koa ny mpanao politika. Tsy mety misy valiny mahafa-po anefa ireo rehetra ireo satria raha fahazoan-dalana no takiana dia fandrarana no valiny. Tsy mahagaga raha toa ka sora-baventy sy antsoantso ary tsoka kiririoka ny hetsika nomanina nefa miafara hatrany amin’ny fifanosehana sy tora-bato ary fisamborana. Efa tena mankadilo sofina ny resaka Soamahamanina nefa tsy maintsy resahina satria zava-misy sy tranga mampiseho ny fitantanana ny firenena. Endrika iray manome taratra ny ady mbola tsy maintsy ataon’ny vahoaka malagasy alohan’ny tena hidirana amin’ny asa fampandrosoana izy io. Tsy hisy firenena handroso izany eto ary tsy hisy fampandrosoana ifotony izany raha tsy saro-piaro sy miady ho an’ny tombontsoany aloha ny isam-pokontany sy ny isaka ny kaominina. Izay io zava-mitranga ao Soamahamanina io. Tsy mahaza ny fankasitrahan’ny maro an’isa ny fitrandrahana volamena nanomezana fahazoan-dalana ny sinoa ka izao miteraka savorovoro tsy ankitsahatra izao. Amin’ny fomba fitantanana sy fanatanterahana ny fampandrosoana ifotony dia misy ny fakan-kevitra eny amin’ny vahoaka mikasika izay tetikasa horafetina sy hotanterahina. Lasa fombafomba fotsiny anefa ny fanaovana azy io eto Madagasikara satria tsy henoina akory ny hetaheta sy soson-kevitry ny fokonolona fa atao tery vay manta fotsiny izy ireo hanaiky lembenana izay sitrapon’ny manam-pahaizana sy ny manam-pahefana.
Tsy i Soamahamanina irery no miaritra izany tsindry hazo lena izany fa toerana maro manerana ny Nosy. Miady sy mandà ihany ny vahoaka any amin’ireny toerana ireny saingy tratran’ny atody miady amam-bato ka manaiky lembenana tsisazoka. Tsy resaka fanatsaharana sinoa hitrandraka ihany koa anefa no misy fitakiana amin’izao fotoana izao fa sehara marobe. Anisan’ireny ny fanondrotana tambin-karama takian’ny mpampianatra amin’izao fotoana izao. Rariny sy hitsiny ireo mpanabe raha mba hitaky ny zony satria iaraha-mahita fa maro ireo mpiasam-panjakana lasa mpanefoefo amin’izao fotoana izao nefa tsy haninon-tsy haninona akory amin’ny asa fampandrosoana ny firenena. Ny mpampianatra no fototry ny fanabeazana izay iaingan’ny fampandrosoana nefa izy ireo no kely karama indrindra. Tsy mahagaga raha mitaky ny zony izy ireo. Ny tena mahagaga dia ny sehatra iankinan’ny fianam-bahoaka ifotony hatrany no tsy misy mpiraharaha. Voakasik’izany ny resaka fitaterana izay nanomboka niakatra ny sara-dalana. Toy ny tany tsy misy Fanjakana eto fa izay mpitatitra mampiakatra dia mahazo mampiakatra ary tsy mijanona amin’ny saran-dalana Ar 400 izany. Ny vahoaka sisa no miady irery ary voatery manao di-doha sy loham-boto fotsiny hoe tsy handoa Ar 500. Loza mitatao ho an’ny fiarahamonina sy ny filaminana anefa ny famelana ny mpandeha sy ny mpitatitra hifamolaka toy izany satria ahiana ny mety ho fihitarana amin’ny hersisetra sy ny fanimban-javatra. Mitaky ny fandraisan’andraikitr’ireo mpiasam-panjakana rehetra izay karamaina amin’ny volam-bahoaka ny malagasy mba hanaovan’izy ireo ny asany ka hiteraka fampandrosoana eto amin’ny firenena. Ny mpitondra ambony sy ny mpanao politika hatrany no voasoketa ho mamotika ny firenena fa rehefa tena zohina dia mandray anjara amin’ny famotehana ny firenena ihany koa ireo mpiasam-panjakana mpanao kolikoly sy mpanao kitoatoa ny asany.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







