Ambatofinandrahana – Olona iray no maty vokatry ny fifamonoana teny amin’ny arabe
Tranga mampalahelo tokoa izany hoe nilaozan’ny namana akaiky, vokatry ny vono nihatra taminy. Toy izay nitranga ny Sabotsy 01 oktobra lasa teo tany amin’ny faritra Amoron’i Mania, distrika Ambatofinandrahana, tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany alina. Tovolahy roa no niady teny amoron-dalana ary tsy nisy sahy nanasaraka ireo nanatri-maso rehetra. Nisaraka ihany anefa izy roalahy saingy efa samy naratra mafy avokoa. Ny ampitson’iny nilaza ny fianakavian’ny iray tamin’izy ireo fa maty ny havany kanefa tsy nisy na dia iray tamin’ireo havany, tapaka sy namana nahita maso ny zava-niseho. Na ny anton’izany ady izany aza tsy nisy nahalala akory, hany ka tsy fantatra mazava izay namono azy. Nisy ihany anefa ny tsaho niely tao an-tanàna fa zandary ilay nifamono taminy. Vokatr’izany, nisy ny fanadihadiana akaiky natao tamin’ireo zandary teny an-toerana, saingy tsy nisy niampanga nanao izany izy ireo. Hatramin’izao isika miresaka izao, mbola tsy fantatra marina ilay niady tamin’io olona maty io. Ny polisy any Ambatofinandrahana no manao ny fanadihadiana amin’ny alalan’ny famotorana ireo vavolombelona izay nanatri-maso, ahafantarana ny zava-nitranga marina.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







