Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambohimandroso – Sarona ny kamiao mpanondrana hazo

Voasakan’ny mpitandro filaminana ao Ambohimandroso ny fiarabe iray mpitatitra hazo tsy ara-dalàna. Voalaza fa tsy nanana taratasy mazava mikasika ny entana nentiny ny mpamilin’ity kamiao ity. Vatan-kazo lehibe efa vita efajoro marobe no notateriny ka voatery ny mpitando filaminana naka fepetra hitazona ilay fiara sy ny mpamily ary ireo hazo. Heverina fa notrandrahina tany amin’ny faritra tsy azo anaovana izany ireto hazo marobe ireto matoa tsy mazava ny taratasy. Efa tena hentitra ny tompon’andraikitry ny rano sy ala izay miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana manodidina ireo faritra arovana sy tsy azo  anapahana hazo eto amintsika nefa dia mbola misy ihany ny manao fanahy iniana tsy miraharaha izany. Matetika dia miantehitra amin’ny herin’ny kolikoly ireo mpitrandraka ala an-tsokosoko nefa hadinon’izy ireo fa tsy ny tompon’andraikitra rehetra no  andairan’izany. Mety misy vitsivitsy tsy mahalefitra ny fakam-panahy ka mandray tsolotra noho ny fahantrana sy ny fahasahiranana saingy tena mbola misy tokoa ny tompon’andraiki-panjakana sy ny mpitandro filaminana mijoro amin’ny fahitsiana ka tsy azo tambatambazana izany fa mampihatra avy hatrany ny lalàna manoloana izay tsy mety rehetra.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre