Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ivohibe – Dahalo 1 voasambotra 4 hafa naratra mafy

Voatifitra ny 1, voarasarasan’ny sabatra ny 3 hafa ary naratra mafy ireo dahalo 4 mirahalahy nanafika tao Ivohibe. Mbola afaka nandositra ihany anefa izy ireo. Voasambotry ny zandary kosa  ilay tena lehiben’ireo malaso na dia nanao izay ho afany mba hialana ny mpitandro filaminana aza. Miisa 20 ireo dahalo no nanafika ny tanàna ka omby 40 no saika havoakan’izy ireo tamin’izany. Tsikaritry ny andrimasom-pokonolona anefa izany ka raikitra ny antsoantso. Nitsoaka ireo malaso nefa tsy nandeha lavitra fa nandroba mpivarotra indray avy eo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny entam-barotra samihafa miampy vola mitentina 1 tapitrisa Ariary. Tsy nanaiky nolembenana ny tompon-trano sy  ny mpiray tanàna izay nampian’ny mpitandro filaminana. Naharitra 45mn ny fifandonana izay nisian’ny fifampitifirana tsy ankiato ka  niafara tamin’ny fifanandrinana mivantana tamin’ny lefona sy ny antsilava.

Lamina efa maty paika teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona izay nampiseho firaisankina no nahazoana io vokatra io. Hatramin’ny nametrahana ny dinabe sy ny kalaony dia lasa tsy manaiky lembenana fa sahy miady sy mifampiaro ny vahoaka manoloana ny asan-dahalo. Ireto farany dia tsy mahavita mampiseho habibiana akory rehefa sendran’ny akanga maro tsy vakin’amboa.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre