Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Fanakanan-dalana nataon’ andian-jiolahy – Maty nianjera ary tafavoaka ny fiara ny vehivavy iray

Mirongatra izay tsy izy amin’izao fotoana izao ny fanakanan-dalana ary efa manenika ny lalam-pirenena rehetra izany. Fiara kamiao Mercedes-Benz iray no niharam-boina tao Ambatomiranty any amin’ny Distrikan’i Manjakandriana ny alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany teo. Fiara be nitondra mpiantsena hihazo an’Ambatomanoina no nosakanana andian-jiolahy mitam-basy, iray kilometatra tsy hiditra ny tanàna atao hoe Ambatomiranty. Fanakanan-dalana tamin’ny alalan’ny vato be no paikady nentin’ireto jiolahy nanatanteraka ny asa ratsiny. Tsy nijanona anefa ny mpamily ilay fiara raha vao nahita izany fa avy dia novakiany ilay « barrage » ary nanohy ny diany izy. Noho ny fihetsehana mafy loatra nataon’ilay kamiao anefa dia nianjera ary tafavoaka ny fiara mihitsy ny vehivavy iray 30 taona. Maty noho izany ilay ramatoa ary rotidrotika noho ny fianjerana ny tarehiny manontolo. Ilay mpamily izay nentin-tahotra anefa dia tsy nahalala sy tsy naheno akory ny fisian’io fianjerana io ary nanohy ny fitsoahana.

Fotoana vitsy taorian’io, nisy fiara hafa nandalo indray ary mbola namaky ilay « Barrage » ihany. Notorahan’ireo jiolahy noho izany ny fitaratr’ilay fiara ka vaky. Tsy vitan’izay fa mbola nitifitra ihany koa ireto mpanakan-dalana ireto fa na izany aza anefa tsy nahazo na inona na inona izy ireo. Azo lazaina ho nandamoka ihany ny fikasan-dratsin’ireto olon-dratsy, tsy nisy ny vola na zavatra voaroba tamin’ireo mpandeha. Nidina teny an-toerana nanao ny fisavana ny mpitandro filaminana rehefa nadre ny zava-nitranga. Nahitana bala 9 mm roa noho izany teny an-toerana ka ny iray efa nipoaka. Mitohy ny fikaroham-baovao izay ataon’ny polisy nasionalin’Ambohimanarivo sy ny fokonolona manodidina.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre