Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Andraisoro – Renim-pianakaviana nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana

Miaina anaty horohoro tanteraka amin’izao fotoana izao ny mponina eny amin’iny faritr’Andraisoro sy ny manodidina iny. Manjaka ary miha mahery vaika indray mantsy ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana. Omaly dia tranga mahatsiravina indray no niseho teny amin’iny faritra iny satria dia renim-piakaviana iray namonjy fodiana indray no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka. Araka ny vaovao azo dia naolan’ireo olon-dratsy ilay ramatoa ary avy eo dia nokapain’izy ireo tsy nananany  antra ny tanany roa tsy hita teo amin’ny toerana nisy ny fatiny, teny akaikina fasana iray eny an-toerana. Tsy vitan’izany fa feno dian’antsy ihany koa teny amin’ny faritry ny vatany manontolo. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso ihany dia efa tsy nanao pataloha intsony ity ramatoa ity tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Manamarina fa tena voaolana izy ny filazan’ny iray tamin’ny fianakaviana fa « niandry azy hody izahay ny alina tontolo saingy tsy tonga mihitsy izy. Niezaka nampahafantatra ny havany ihany izahay saingy tsy afaka nanoatra ny rehetra satria ny andro efa alina no sady maizina tanteraka ny lalana. Ny maraina vao tonga ny vaovao ratsy ary tena hankina tanteraka izahay fianakaviana », hoy ny iray tamin’ny fianakaviany. Mitaintaina fatratra noho izany ireo mponina eny amin’iny faritra Andraisoro iny satria raha ny voalaza dia maizina tanteraka ny lalana fodian’ireo mponina ary tena tsy misy jiro mihitsy. Manahy koa izy ireo amin’ny fisian’ny andian-jatovo mifoka rongony eo amin’ny manodidina. Mbola betsaka mantsy ny lobolobo sy ny ala eny an-toerana. Raha tsiahivina dia vao roa volana lasa izay no nitrangana vono olona miharo habibiana toy ity teny amin’ny toerana tsy lavitra ny nisehoan’ity loza iray ity. Raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana dia handray fepetra hentitra izy ireo ary hiezaka ny hanamafy ny fitandroana ny filaminana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre