Diovy ny kaominina !
« Manilikilika ny maloto, tahon’akondro no natao borosy », hoy ny hiran’ny tarika Levelo. Mpanakanto ilaina marina ny mpanohitra ary tena mahita mialoha ny zavatra hitranga. Raha kilalaon’ankizy maka tahaka ny fiainam-piarahamonina sy fiainan-tokantrano no nentin’ity mpanakanto efa nodimandry ity navadika ho hira dia hita taratra eny anivon’ny fitantanana ny kaominina izany ankehitriny. Nandray kofafa mihitsy mantsy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nentiny nanehoana ny fahavononany hanadio ny tanànan’Antananarivo renivohitra rehetra manoloana izay heverina ho loto sy henatra mety hanala-baraka ny kaominina. Ny fako sy ny rano maloto miangona no nodiovina teny Mahamasina fa tsy ireny irery no voakasiky ny hetsiky ny kaominina akory. Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana avokoa mantsy ny fanesorana ny mpivarotra amoron-dalana, ny fiaran’olona mipetraka eny amin’ny fiatsonana, ny mpatory an-tsena sy izay fivelomana kely ataon’ny mafiady. Tsara ny fandraisana andraikitra satria mila tanàna madio sy milamina ny vahoaka nefa na izany aza tsy vahaolana ny fanafenana ny fahantrana amin’ny alalan’ny fanaparam-pahefana. Tsy maintsy esorina ny mpivarotra eny amin’ny toerana tsy natokana ho amin’izany nefa kosa adidy sy andraikitry ny kaominina ny manome tsena ara-dalàna ho azy ireny. Mibahan-dalana sy manelingelina ireo fiara miatsona etsy sy eroa ka tsy maintsy esorina nefa asan’ny kaominina ny manamboatra toeram-piatsonana ara-dalàna sy manara-penitra. Renivohitr’i Madagasikara Antananarivo ka tsy mahagaga raha manana fiara ny ankamaroan’ny vahoaka. Resaky ny maivan-doha sy vavan’ny fakofakon’olona ny filazana fa tsy tokony hividy fiara raha tsy manana garazy. Heverin’izy ireo izany fa tokony handadilady sy hifanitsa-kitro hiaritra ny vavan’ny saofera sy taxibe avokoa ny vahoakan’Antananarivo rehetra. Alohan’ny handraisana fepetra dia mila manome vahaolana ny kaominina fa tsy manao didy jadona toy ny ataony amin’izao fotoana izao. Ny tena mahagaga ny tsikombakomba misy eo amin’ny mpitantana sy ny orinasa Tiko. Mahita toerana hasiana izay fiara voasazy izy ireo fa tsy mahita toerana homena ireo mpanara-dalàna hametrahana fiara.
Rehefa dinihina izany dia ny fanamboarana fotodrafitrasa ihany no vahaolana hahafahana mandamina sy mandio ity renivohitra ity. Tompon’andraikitra feno amin’ny fitadiavana vola hanatanterahana izany ny mpitantana ny tanàna izay milaza ho tena havanana amin’ny fitadiavana fiaraha-miombon’antoka sy famatsiam-bola. Tsy azo ekena rahateo ny filazana fa tsy manam-bola ny kaominina izay sady nanondrotra zato isan-jato ny vola aloa amin’ny fikarakarana taratasy eny amin’ny boriboritany no mbola manamafy ny fitakian-ketra amin’ny lafiny rehetra ihany koa. Ankoatra ireo dia nandroaka mpiasa marobe ihany koa ny kaominina. Heverina fa tafiditra amin’ny tetikady hampiakarana ny kitapom-bolan’ny kaominina izany fepetra rehetra izany. Ny toe-tsaina mihitsy no tokony hovana raha te hampandroso hoy ny tompon’andraikitra ambony iray ao amin’ny kaominina. Tena marina tsy iadian-kevitra ny filazany ary izay no fomba voalohany hahafahana manavotra ity tanàna maloto sy mahantra ary anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ity. Tokony ho eo anivon’ny fitantanana ny kaominina no hanomboka io fanovana toe-tsaina sy fanadiovana io. Voalazan’ireo mpanolo-tsaina kaominaly eto Antananarivo renivohitra mantsy fa mahatratra hatramin’ny 90 mahery ny isan’ny mpikambana amin’ny kabinetran’ny ben’ny tanàna. Mazava ho azy fa olona akaiky azy sy mpiray ny antoko ary mpiasany tao amin’ny orinasany avokoa izy rehetra ireo. Mila fanadiovana izany satria tsy raharahan-tokantrano sy fianakaviana, na raharahan’antoko sy orinasa ny kaominina Antananarivo renivohitra fa raharaham-bahoaka. Mahamenatra ihany ny fisian’ny ekipan’ny ben’ny tanàna mampiaka-peo sy miady amin’ny Fanjakana ho fiarovana ny tombotsoan’ny orinasa Tiko. Tsy fantatra intsony hoe mpiasan’ny Tiko ve sa mpiasan’ny kaominina fa dia mifangaro avokoa ny andraikitr’izy ireo.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







