Trafikana « Cocaïne » – Lehilahy metisy sy vehivavy malagasy iray nidoboka am-ponja
Hita tokoa amin’izao fa efa miparitaka eto amintsika ny zava-mahadomelina. Ary tsy mianona fotsiny amin’ny rongony maivana intsony fa efa tonga hatrany amin’ny zava-mahadomelina maherivaika, toy ny « cocaïne » mihitsy. Mazava ho azy fa matoa misy ireo mpivarotra dia misy ireo mpanjifa azy ary araka ny vaovao azo dia tsy mifidy taona intsony ny fihinanana azy ity fa na dia tanora vao erotrerony aza dia midoroka azy ity avokoa. Matetika anefa ireo mpivarotra izany dia tratra amin’ny fomba tsy ampoizina foana. Toy ny tranga izay niseho ny herinandro lasa teo izay nahatratrarana lehilahy metisy sy vehivavy malagasy iray. Sarona teny amin’ny toerana tsy nampoizina ireto farany ary notsaraina teny amin’ny tribonaly avy hatrany. Rehefa natao ny fitsarana dia naiditra am-ponja avy hatrany izy ireo ary mandritra ny dimy taona avy no fetran’izany. Ireto mpivarotra zava-mahadomelina maherivaika ireto moa dia samy niaiky heloka avokoa ka nanamora ny fanadihadiana natao azy ireo.
Raha tsiahivina dia efa 8 volana lasa izay ity afera ity teny amin’iny faritra 67ha iny. Tamin’izany dia nitady olona azo atokisana hiara-miasa aminy ity metisy izay hokaramainy hivarotra ireo « Cocaïne ». Andro vitsivitsy taorian’ny fifanarahana anefa dia tsy nahatsikaritra akory ireto farany fa hay nisy olona nanara-maso akaiky ary nampilaza ny mpitandro filaminana avy eo. Rehefa naharay ny vaovao ireto farany dia nidina teny an-toerana avy hatrany ary tamin’ny fotoana hakan’ilay ramatoa ny entana tany amin’ilay metisy mihintsy no noraisim-potsiny izy. Indray noraofina tamin’izany moa na ilay tompon’ny ketrika na ilay teratany malagasy. Tsy vao izao tokoa no nisy fisamborana mpamatsy zava-mahadomelina toy ity fa tsy vao ela akory teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato no nisy tera-tany Seychellois 35 taona tratran’ireo mpitandro filaminana naika hilefa niaraka tamin’ny « Héroïne » izay nasitriny tao anatin’ny bakirarony. Nandritran’io fotoana io ihany koa dia nisy ramatoa Keniana iray tra-tehaka nanafina « Heroine » tao anaty fitafy anatiny.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







