Manjakandriana – Lehilahy 72 taona voafaokan’ny 405
Fiara iray 405 Peugeot indray no nandona olona ny Alatsinainy 03 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora maraina, tany amin’ny ditsrikan’ny Manjakandriana, fokontany Antanetikely, kaominina ambanivohitr’i Sambaina. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza dia voamarina fa nandeha mafy nisongona fiara Mazda iray io 405 io, izay avy any Antananarivo ho any Manjakandriana. Hany ka mpandeha an-tongotra miisa telo izay avy namonjy famadihana no indray voafaoka. Vokatr’izany maty teo no ho eo ny iray tamin’izy ireo izay lehilahy raim-pianakaviana, 72 taona. Ny roa ambiny kosa naratra mafy ka ny iray efa 74 taona ary ny iray kosa dia 42 taona. Avy hatrany dia nentina notsaboina haingana teny amin’ny hopitaly akaiky toerana indrindra ireto farany. Azo lazaina araka izany fa efa nahazoazo taona avokoa ireo olona tratry ny lozam-pifamoivoizana ireo. Tsy nisy kosa anefa ny voina nahazo ireo rehetra tao anaty fiara, na ny mpamily izany na ny mpandeha. Ilay razana kosa efa natolotra ny fianakaviany rehefa vita ny fizahana rehetra natao. Ary ny tobim-paritra ao Manjakandriana no misahana ny fanadihadiana sy ny famotorana ilay nahavanon-doza.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







