Bekily – Nokapakapaina famaky ilay voatafika
Jiolahy 3 lahy fantatry ny mpiray tanàna no nanafika olona iray tao Andranoteraky Bekily afakomaly. Tsy nitsitsy ireo olon-dratsy fa avy hatrany dia namono ilay voatafika tamin’ny famaky. Voa teo amin’ny lohany, ny tanany, ary ny lamosiny ity farany ka naratra mafy ary voatery nampidirina hopitaly haingana. Tsy nahazo vola anefa ireo mpandroba no tsy nandroaka omby ihany koa fa entana vitsivitsy izay voarain’ny tanan’izy ireo ihany no nentiny. Efa fantatry ny mpitandro filaminana ny mombamomba azy ireo dia i Tsihambelo, Manambilo ary Velosaotsy. Ahian’ny mpiray tanàna ho mpikarama an’ady nampirisihina hamono ilay notafihiny ireto olon-dratsy ireto fa tsy tena dahalo. Karazan’ny fomba nentina nanarontsaromana ny vono olona saika hataon’izy ireo fotsiny ny halatra entana nataony. Efa manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka ho hita eo izay tena ao ambadik’ity fanafihana miharo herisetra ity.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







