Ankorondrano – Fiara telo nifandona, olona telo naratra mafy
Matetika dia tsy fitandremana kely fotsiny dia mahatonga lozam-pifamoivoizana mitera-doza. Fiara mandeha mafy na tsy manaraka ny torolalana eny amin’ny arabe no mahatonga indrindra ny loza ary efa maro no naratra sy nitondra takaitra vokatr’izany. Omaly tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina dia fiara fitateram-bahoaka roa no nifandona tamin’ny fiara Hyundai Starex teny Ankorondrano. Araka ny vaovao azo dia tsy fitandreman’ireo mpitatitra izay samy nandefa mafy no nahatonga ny loza. Naratra mafy vokatr’izany ny olona telo. Vehivavy maromaro tamin’izany no voadona mafy teny amin’ny faritry ny lohany, ny iray dia voadonan’ny varavarana ary ny iray nidona tamin’ny vy be manasaraka ny mpamily sy ireo mpandeha. Araka ny voalazan’ireo nanatri-maso dia ilay taxi-be 150 izay teo aloha indrindra no tapaka hisatra ary niezaka nijanona saingy noho ny fandehanany mafy loatra dia tsy nahita fomba intsony izy hanajanonana ilay fiara. Vokatr’izany dia nandona fiara fitateram-bahoaka hafa izay nandeha teo alohany izy ary io fiara io ihany no nandona ilay Starex.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







