Ambodisatrana II – Bateria nipoaka no nandevona ny tanàna
Lasa lavenona ny tanàna iray manontolo tany Ambodisatrana II any Mananara-Avaratra. Na ny tontalin’ny trano may aza tsy voaisan’ny mponina intsony. Fantatra kosa fa lelavola an-tapitrisany maro no may kila tanteraka tamin’io haitrano io. Manana fahazarana mitahiry vola ao an-trano mantsy ny mponina tao amin’io tanàna kely io. Noho ny tsy fisian’ny herin’aratra dia manita-kevitra ny olona sasany ka mampiasa bateria hakana herinaratra. Mandaitra tokoa izany ary afaka handefasana jiro mazava tsara. Tsy fantatra anefa izay olana ara-tekinika fa nirehitra ny bateria tao amin’ny trano iray ka niteraka ny fahamaizan’ny tanàna iray manontolo. Efa andro miditra mihitsy angamba, araka ny fitenin’ny tanora satria izay angovo ampiasaina rehetra mitera-doza avokoa. Mandrehitra trano ny fifampikasohan’ny tariby mpitondra herinaratry ny Jirama, zava-doza no ateraky ny labozia sy ny jiro solitany tsy voara-maso; izao indray dia bateria indray no rangory fototry ny afo. Mila tetikasa manokana mihitsy angamba ny ady amin’ny fisorohana ny haitrano eto Madagasikara satria raha mitohy ny toy izao dia tsy hisy na inona na inona hiangana intsony eto amin’ity firenena ity.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







