Melaky – Jiolahy 13 nangalatra omby 82
Tsy mitsahatra mirongatra ny halatr’omby any amin’iny faritra Melaky iny, hany ka dia mandry tsy lavo loha ireo mponina any an-toerana. Ny marainan’ny 06 oktobra lasa teo mantsy, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany maraina dia notafihan’ny dahalo tao amin’ny fokontany Marotsialeha, distrika Ambatomainty, faritra Melaky. Jiolahy 13 nitondra basim-borona tsirairay avy no tonga masiaka tao amin’io toerana io ka nangalatra omby tao amina tokantrano iray. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny fandalovan’ireo dahalo tao an-tanàna ka tsy nisy sahy nivoaka nanohitra azy ireo ny mponina, indrindra fa ny nifanolo-bodirindrina tamin’ity tokantrano voatafika ity. Vokatr’izany dia omby miisa 82 no indray voaroba. Rehefa lasa ireo olon-dratsy vao sahy nampandre ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Zandary telo avy ao Marotsialeha no nanao ny fanarahan-dia ary zandary maromaro avy ao Ankingabe no nanao ny fiambenana ny tanàna. Mbola mitohy ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







