Tsiroanomandidy – Nirefotra ny basy ka omby 45 no indray vaoroba
Malaza itrangana fanafihan-dahalo matetika ny distrikan’i Tsiroanomandidy, indrindra moa fa ny halatra omby. Dia toy izany tokoa no nitranga ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo tao Ankadinakondro, fokontany Antanetibe, kaominina ambanivohitr’i Marotampona, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Ka dahalo miisa 20 mahery nirongo basy sy famaky no tonga nanafika ny tanàna. Vantany vao nijadona tao izy ireo dia nanao tifi-danitra sy nandrava tokantrano maromaro ka nandroaka ireo omby rehetra tao anaty zohy. Noho ny fatahorana ireo olon-dratsy ireo nefa dia tsy nisy nahasahy nivoaka ny trano ireo fokonolona. Vokatr’izany dia omby miisa 45 no indray voafoaka ary nizotra niankandrefana ny dian’izy ireo. Vantany vao lasa ireo dahalo dia nihazakazaka ireo andian’olona mba hampandre ny mpitandro ny filaminana tao Bemahatazana sy tao Moratampona. Ka izy ireo no nanao ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona. Marihina etoana fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafohy nandritra izany fanafihana izany.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







